Nanao fivoriana ny Vondron’Olon-Tsotra (VOT) Toamasina ny alahady teo izay natrehan’ny filoha nasionaliny Zoe Sarah.
Nandritra ity fihaonana ity no nanambarana fa manohana tsy misy fepetra ary an-kitsim-po ny kandida laharana faha-25, Atoa Ravalomanana Marc, izy ireo amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena ny 7 novambra ho avy izao. Ny antony raha ny fanazavan’ny VOT dia Atoa Ravalomanana ihany no hitan’izy ireo manana paik’ady afaka hanarina haingana ny firenena sy afaka hamerina indray ny fahefam-panjakana sy ny fahatokisan’ireo mpiara-miombona antoka amin’i Madagasikara, ary afaka hanavotra ny fiainam-bahoaka niniana nalentika anaty lavaka sy fahantrana lalina tao anatin’ny sivy taona izao. Nandritra ny fihaonana teto Toamasina natrehan’ny filoha nasionalin’ny VOT dia nisy koa ny fametrahana ny filoha mpitarika ny VOT sampana Toamasina renivohitra sy sampana Toamasina II ary ny sampan’ny faritra Atsinanana. Ny fampandraisana andraikitra ny olon-tsotra amin’ny fiainam-pirenena sy ny fiainam-piarahamonina ary ny fifanampian’ny samy Malagasy no tanjona hifampitana amin’ireo mpikambana, izay nampirisihan’ny filoha nasionalin’ny VOT amin’ny fanaraha-maso ny fandehan’ny fifidianana sy ny raharaha politika misy eto amintsika.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.