Efa fantatry ny rehetra, hoy ry zareo avy eo anivon’ny vondron’olon-tsotra na VOT tarihin’ny filohany, Sarah Zoe, tetsy Ambohijatovo omaly, fa manohana ny kandida ho filoham-pirenena laharana faha 25, Marc Ravalomanana izahay.
Manoloana ny zava-mitranga ankehitriny izay mampanahy be ihany dia miantso ny rehetra foana izahay mba hitandro ny soatoavina. Zava-droa loha no tianay ampitaina. Voalohany, hita ho lasa miha mahazo faka ny fankahalana. Tamin’ny fihodinana voalohany mba hita ihany hoe nifantoka tamin’ny fandaharan’asan’ireo kandida ireo mpanaradia azy fa ankehitriny kosa dia hita ho miha mifampihantsy isika kanefa dia samy miraviravy tanana manoloana izany. Miverina mitady hanjaka ny ramatahora sy ny didin’ny be sandry niainana tamin’ny 2009. Mandindona ny faharavan’ny firaisam-pirenena ary ahiana ny valifaty. Nisy mpikambana ato aminay niisa 5, ohatra, hoy ny filohan’ny VOT, nisy nanambana antsy raha nanao fidinana ifotony tany Vangaindrano ary nasaina nosoloina ny fanamian’ny kandida laharana faha-13 ny an’ny laharana faha-25 teny aminy. Miantso ny mpitandro ny filaminana tena handray ny andraikiny izahay, hoy izy ireo, ary miantso ireo kandida 2 ihany koa mba hifantoka amin’ny fanazavana ny vinan’izy ireo, indrindra, ny lafiny vidim-piainana, sosialim-bahoaka ary ny fahasalamana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.