Mitohy hatrany ny fidinana ifotony tontosain-dry zareo avy eo anivon’ny Vondron’Olon-Tsotra (VOT), raha ny nambaran’ny filohany, Sarah Zoe.
Antsirabe moa no nodiavin’izy ireo farany teo, raha tsiahivina. Fiaraha-mientan’ny Malagasy rehetra amin’ny fandraisan’andraikitra eo amin’ny raharaham-pirenena ary tsy miandry fidirana anatina antoko politika no tanjona, hoy ny tenany. Mila mahay miaro ny safidiny ny olon-tsotra mba tsy hatao tohatra fiakarana foana. Anisan’ny ezahanay voizina koa, hoy ity filoha ity, ny antony hanohananay ny kandida laharana faha-25 amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy izao. Io kandida io ihany, hoy izy, no hitanay ho manana ny traikefa afaka hanarina ity firenena ity ao anatin’ny fotoana fohy. Miantso ny mpikarakara fifidianana koa izahay etsy an-kilan’izay. Aoka izay ny antsojay ! Hita ho lasa fanenjehana olona iray ireo lalàna foronina amin’ny fifidianana. Taiza no nisy hoe tsy azo hanaovana fampielezan-kevitra eny an-tsena ? Eny no toerana ahafahan’ny vahoaka mifanakalo hevitra, hoy izy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.