Politique

Vondron’ireo kandida 22 Hitarika vahoaka hidina an-dalambe anio…


  • Zoma 12 Oktobra 2018

Nivory teny amin’ny trano fonenan’ny Amiraly Didier Ratsiraka ireo kandida manakiana ny fikarakarana ny fifidianana omaly. Nivoitra tao ny fitakiana ny fanamboarana ny firafitry ny mpikamban’ny HCC, ny CENI ary ny governemanta.

 

 Miantso ny mpanohana azy ho avy eny amin’ny Kianjan’Ambohijatovo ary manomana fidinana an-dalambe izy ireo, raha ny vaovao azo. Re ihany koa fa hisy ny diabe miainga eny Andoharanofotsy hihazo ny Lapan’ny HCC etsy Ambohidahy. Nanao fanambarana mitaky ny fialan’ny filohan’ny HCC Atoa Jean Eric Rakotoarisoa sy ireo kandidà maro miara-dia aminy satria tsy mamaly ny fitarainana nataon’ny kandida maromaro, kanefa ity rafi-pitsarana ity ihany no fitsarana mahefa afaka hitsara izany, hoy ireo kandida tarihin-dry Fanirisoa Ernaivo. Misy ihany koa ny fitakiana fiaraha-mametra-pialana ho an’ireo minisitra HVM. Mikasika ny lisi-pifidianana, manamafy izy ireo fa feno hosoka io lisitra io, be ny anarana tsy fantatra natsofotsofoka fotsiny fa tsy misy akory, nampitomboina ny isa ao anaty rindram-baiko na « logiciel » ampiasain’ny CENI, ka mila diovina. Hosoka izay natao hanomezana vahana ny kandidà manana minisitra ao anaty governemanta, hoy hatrany izy ireo. Tokony hatao madio ny fifidianana fa tsy izay ifanarahan'ireo efa nitondra teo aloha no hatao eto amin'ny firenena, hoy hatrany ireo. Manoloana ny kiana samihafa ataon’ireto kandida ireto kosa, dia nilaza ny filoha lefitry ny CENI Thierry Rakotonarivo fa hisy ny fihaonana eo amin’ny CENI sy ireto kandida ny takarivan’ny rahampitso sabotsy 13 oktobra na amin’ny herinandro raha toa tsy tratra, izay hitondrana fanazavana eo anatrehan’ny fanakianana samihafa.  Tombanana ho tsy misy hevitra intsony anefa ny fangatahan’ireo kandida ireo eo anatrehan’ny fangatahana fanokafana lisi-pifidianana satria tsy misy lalàna mamaritra fa azo sokafana antenantenany izy io, fa 5 volana isan-taona ihany. Mety hiteraka fihemoran’ny fifidianana ny fidirana amin’izany. Etsy an-daniny anefa dia mbola mampiaka-peo ireo kandida fa tsy neken’ny fahitalavitra TVM sy RNM ny fandraisam-pitenenany 3 mn maimaimpoana izay ampaham-potoana anjarany, raha ny filazan’ireto kandida ireto. Manavakavaka ny TVM sy RNM, hoy izy ary matahotra ny hahafantaran'ny vahoaka manerana ny nosy ny tena marina ny fanjakana. Ny zavatra ambara no mety tsy ifanarahana satria fampahafantarana ny kandida no nifampiresahana.

 

Toky R

  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT