Politique

Vondrona parlemantera HVM Nambara ofisialy teny Tsimbazaza fa mbola tena mijoro


  • Alakamisy 23 Oktobra 2014

Manoloana ny fanambarana nataon’ireo mpikambana sasantsasany teo amin’ny Vondrona parlemantera HVM izay nilaza fa nametra-pialana tsy ho mpikambana ao intsony fa hiverina amin’ny maha tsy miankina nifidianan’ny vahoaka azy dia nanao fanambarana nitambarana ireo mpikambana mbola tavela ao amin’ity vondrona ity notarihan’ny filohany ny depiote Lova Razafindrafito fa mbola mijoro tsara ara-dalàna izy ireo fa tsy mbola naharay an’izany fametraham-pialan’ny mpikambana tao aminy izany na iray aza.

Tena nampitroatra an’ingahy Kestora voalohan’ny Antenimiera izay nanambara fa efa nanome an’ity filohan’ny vondrona HVM ity ny lisitr’ireo mpikambana nanao sonia fa niala izy fa nolazain’ity farany fa tsy naharay izany ry zareo ary tokony ho any amin’ny SG ao amin’ity Antenimiera ity no hanaterana izany ka raikitra mihitsy ny fifamaliana henjankenjana tao Tsimbazaza tamin’izy mirahalahy afak’omaly nefa dia niravona ihany izany omaly ka efa nifampiresaka nalalaka izy mirahalahy teny Tsimbazaza teny. 7 moa no isan’ireo mpanorina ity vondrona parlemantera ity tany am-piandohana, araka ny nambaran’ity filohany ity ihany, ka lasa feno 32 taty aoriana, ankehitriny mbola misy 23 ry zareo no mijanona ho mpikambana. Mbola vonona hatrany amin’ny fanohanana ny filoha Hery Rajaonarimampianina sy ny goverenemanta am-perinasa izahay, hoy izy ireo fa ny firaisankina no ahafahana miroso bebe kokoa amin’ny tena fandrosoana katsahina eto amintsika ankehitriny. Efa tonga nitsidika ofisialy ny filoham-pirenena ireo mpamatsy vola mahazatra afak’omaly, hoy izy ireo,fa efa misy izany ny rivo-baovao mitsoka avy any dilambato hanampy amin’izany fampandrosoana izany. Raha ny resaka fahazoana fiara 4 x 4  izany dia mbola eo am-panaovana fifampiraharahana mikasika izany ny tompon’andraikitra nefa dia tsy mbola laharam-pahamehana ho anay aloha izany hatreto fa ny fitaterana ny maharary ny vahoaka no lohalaharana aminay ankehitriny. Raha ny resaka fitsipaham-pitokisana indray dia henonkenonay izany fa tsy mbola hitanay vondrona parlemantera HVM maso.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT