Politique

Vondrona mpanarato olona raitra Nanolotra soso-kevitra ho an’ireo kandida hilatsaka ho filoham-pirenena


  • Talata 25 Septambra 2018

Andro vitsivitsy sisa no isaina dia hianoka tanteraka ao anatin’ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana izay ho filoham-pirenena isika eto Madagasikara.

Tsy mipetra-potsiny ny vondrona mpanarato olona raitra avy amin’ny fiangonana Advantista fa nampiantso ireo kandida mpifaninana hilatsaka hofidiana ny alahady folakandro teo. Tetsy amin’ny hotely  Carlton Anosy no nanatanterahana izany izay nanambaran-dRaharison Vidot fa raha ny kandida hatrany no nanolotra ny fandaharan’asany ho an’ny vahoaka hatramin’izay dia rariny sy hitsiny raha ny fikambanana indray no manao azy io ankehitriny hanavotana ny firenena. Noraisiny ohatra  i Jakoba izay nanaraka an-tsakany sy an-davany ny torohevitra avy any an-danitra ka nahatonga an’i Egypta ho firenena matanjaka voalohany maneran-tany tamin’izany fotoana. Mbola paikadin’ny lanitra ihany koa, hoy ity mpitondra tenin’ny vondrona mpanarato olona raitra ity no nanosika azy hanome tany maimaimpoana ny vahoaka ka nanome baiko ireto farany mba hamboly sy hiompy ka nahatonga an’i Egypta ho mpamatsy sakafo maneran-tany tao anatin’ny dimy taona monja. Nomarihin’ny pastera Ramamonjy Patrick avy ao amin’ny fiangonana Advantista fa raha olona tena mivavaka no mitantana ny firenena tsy misy intsony ny mampanahy, antony mahatonga azy ireo hiala nenina. Fito ireo soso-kevitra natolony ny kandida mba ho tombontsoan’ny vahoaka Malagasy.

Pati

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT