Politique

Vondrona MAPAR Mitaky ny toeran’ny praiminisitra ?


  • Alarobia 17 Jona 2015

Nisintaka tamin’ny fampihavanam-pirenena notarihan’ny Ffkm ny vondrona politika Mapar tarihan’i Andry Rajoelina ary ankehitriny dia efa mandrangaranga ihany koa fa tsy manaiky ny hanao ilay « pacte de responsabilité »

 

 heverina handaminana ny krizy eo amin’ny filoham-pirenena asy ny solombavambahoaka. Lohalaharana tamin’ny fanonganana ny filoha ny Mapar ary tsy nanaiky ny fanendrena ny praiminisitra Jean Ravelonarivo. Fa inona ihany ary izany no tadiavian’ny Mapar ? Tahaka ny efa mamaly izay ny fanehoan-kevitra nataon’ny solombavambahoaka Naivo Raholdina ny alatsinainy lasa teo nilaza fa   « tsy misy afa-tsy ny fialan’ny filoham-pirenena no vahaolana ». Tena sarotra hampihavanina ankehitriny ny Mapar sy i Hery Rajaonarimampianina noho ny fivadihan’ity farany tamin’itsy  voalohany vantany vao voafidy ho filoha izy. Tsy te hahalala intsony i Andry Rajoelina sy ny ekipany fa toa mitaky tsotra izao ny hanonganana ny filoha am-perinasa ary tsy mila fifampiraharahana aminy, izay aloha ny zava-misy hatreto. Mandeha anefa ny feo fa mety hilefitra ihany ny Mapar raha toa ka omena azy ireo ny toeran’ny praiminisitra ao amin’ilay governemanta vaovao mety hitsangana eo. Fa mialohan’izay aloha araka ny tsiliantsofina re ihany dia tsy handray anjara amin’izay dinika fifandaminana misy rehetra eo ry zareo, efa fomba fiady politika ihany moa izany.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT