Politique

Vondrona MAPAR Manomboka mipatitaka


  • Alarobia 30 Septambra 2015

Tsy mahazaka tsy manana fahefana sy tsy eo amin’ny fitondrana ve ka tratran’ny aretin’ny fivakisana ny vondrona Mapar ? Samy nahatsikaritra mantsy ny rehetra fa mandalo krizy ity vondrona politika tarihan’i Andry Rajoelina ity

 

. Misy ireo mpikambana izay namadika palitao tsotra izao ka miteraka ny fahatezeran’ny mpitantana foibe. Nahitana io famadihana palitao io tany Toamasina sy Antsiranana. Efa ho roa herinandro izao no mandeha ny feo fa misy amin’ireo lohandohan’ny mpisorona ao amin’ny Mapar mety hiditra ao anatin’ny governemanta ka hiara-kiasa amin’ny fitondrana. Nihazakazaka namono afo ka nandiso io moa ny mpitantana kanefa zavatra hafa no miseho any ambadibadika any. Tsy vitsy ihany koa ny olon’ny Mapar no manana dosie maloto ka mihorohoro ankehitriny satria mety hipongatra amin’ny fotoana tsy ampoizina ny afera dia any am-ponja no hiafarana. Efa manomboka mila ranondranony amin’ny fitondrana Hvm ireny Mapar manana dosie ireny ankehitriny sao mba ho avotra ihany. Noforonina haingana mba hanohana an’i Andry Rajoelina tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2013 moa ny vondrona Mapar rehefa nanana olana ny TGV, izay tsy hita popoka ankehitriny. Roa taona aty aoriana, manomboka mipatitaka ihany koa ny Mapar, ny mpitantana azy rahateo manao tsidi-pahitra fotsiny fa efa nanorim-ponenana any ivelany miaraka amin’ny fianakaviany. Toa azo itarafana tsara ilay tsy fahamatorana ara-politika eo amin’ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Rajoelina izao manjo ny vondrona politika tarihany izao. Manaporofo ihany koa fa tsy manana foto-kevitra mazava fa mety nobaikon’ny fankahalana ny hafa sy ny tombontsoa fotsiny ireo mpiara-dia aminy ka rehefa sarotra ny raharaha dia izao manomboka samy maka ho azy izao.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT