Nivoaka tamin’ny fahanginany ny vondrona MAPAR taorian’ny nisian’ireo solombavambahoaka lany tamin’ny anaran’ny antoko nivadika ho MAPAR II sy antoko hafa.
Nihaona sy nampahafantatra izany tamin’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena izy ireo omaly maraina, notarihin-dRazanamahasoa Christine izay nitohy teny amin’ny fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana omaly folakandro. Antony dia fanaterana antontan-taratasy mangataka ny amin’ny tokony hanalana ireo solombavambahoaka MAPAR nandika ny lalàna anatiny mifehy ny antoko izay nifanarahan’ny rehetra teny am-piandohana. Miisa fito izy ireo raha araka ny fanazavan-dRazanamahasoa Christine hatrany. Andrasana izay mety ho tohin’ity raharaha ity.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.