Tsy mbola antenaina hahavonjy poritra ny fanampiana ara-bola avy amin’ny vondrona eoropeniana. Novakian’i Dada am-batolampy ny tena hevitr’izy ireo momba ny tsy fahatokisana ny mpitondra Malagasy ny sabotsy lasa teo nandritra ny fihaonamben’ny mpikambana ao amin’ny antoko Tiako i Madagasikara ho an’ny faritra avaradrano izay natao teny Anosiavaratra Faravohitra.
Tsy mahatoky
Tsy mahatoky ny fomba fiasan’ny mpitondra fanjakana malagasy ny mpamatsy vola avy ao amin’ny vondrona eoropeanina, hoy i Marc Ravalomanana. Izany no tsy amoahan’izy ireo vola fanampiana an’i Madagasikara mihitsy hatramin’izao. Naneho tamin’ireo mpamatsy vola ny fahorian’ny antsasaky ny vahoaka izay efa tsy manan-ko hanina intsony aho nandritra ny fiarahanay nisakafo tamin’ny tompon’andraikitry ny vondrona eoropeanina. Ny valin-teny azoko dia fanontanina indray hoe vonona ve aho ny hiantoka fa ho tonga any amin’ny vahoaka tena mila azy ny fanampiana homen’izy ireo ? Nangina moa aho, hoy i Marc Ravalomanana satria sarotra amiko ny hiditra antoka amin’izany satria tsy izaho no mitondra ny firenena ankehitriny.
Resabe
Resabe sisa no ataon’ny mpitondra ankehitriny ny amin’ny hisian’ny fanampiana fa tsy misy fitokisana ny fanjakana HVM intsony ny vondrona eoropeanina. Tsy ny mpanao politika manana ny toerany sy ny hoaviny toa an-dRavalomanana ihany koa anefa no handainga amin’ny toe-javatra toy izany fa dia trafon-kena nome-mahery izany ka am-bava homana ary am-po mieritreritra. Hiady irery manomboka eto ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina fa tsy hisy hiantoka ny tsy fahombiazan’ity fitondrana ity mihitsy ny mpanao politika ananan’ny mpamatsy fitokisana toa an’i Marc Ravalomanana.
Fa nandritra ny fihaonamben’ny faritra avaradrano dia nampianarina ireo mpikambana teny an-toerana ny nantsoina hoe « leadership » eo amin’ny fitantanan-draharaha sy firenena. Manana ny heriny tokoa ny antoko Tim eny amin’ny faritra avaradrano ka nanao antso avo ihany koa ny filohan’ny antoko fa mivoha midanadana amin’ireo mpikambana nivily lalana ny antoko ho an’izay hiverina indray.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.