Herinandro taorian’ny nanaterany ny taratasy maha masoivoho vaovao ny vondrona eoropeanina azy eto Madagasikara dia nisy ny fihaonana voalohany nataon’Atoa Antonio Sanchez-Benedito Gaspar tamin’ny mpanao gazety omaly tetsy Ankorondrano.
Tsy maintsy ampiharina
Nanamafy ny tenany tamin’izany fa tsy azo ialana ny fampiharana ny tondrozotra satria iny no efa nifaneken’ny rehetra fa hampivoaka an’i Madagasikara amin’ny krizy. Nanantitrantitra ihany koa ny tenany fa vonona ny hiara-kiasa amin’ny fitondrana malagasy ny vondrona eoropeanina saingy mazava tsara hatreto fa misy ny fepetra sy fandaminana vitsivitsy tsy maintsy mbola atao izay vao mivoaka ny vola fanampiana. Nilaza ny tenany fa efa nisy ny vola 65 tapitrisa euro nomena an’i Madagasikara ho fanampiana ara-tetibola. Ny FED andiany faha-11 ihany koa dia mitentina 455 ka hatramin’ny 518 tapitrisa euro mandrapahatonga ny taona 2020, saingy miankina amin’ny laharam-pahamehana hapetraky ny fanjakana izay vao hivoaka io vola be io. Eo ihany koa ny fanajana ny demokrasia sy ny zon’olombelona.
Miandry izay fihetsiky ny fitondrana
Hita hatreto fa mbola mitazana ny fihetsika ataon’izao fitondrana vaovao mijoro izao ny vondrona eoropeanina ary tsy tena mbola sahy manatobaka ny volan’izy ireo eto. Mahakasika ny fihemoran’ny fifidianana ben’ny tanàna dia nilaza ity masoivoho ity fa tsy anjaran’izy ireo no manery an’i Madagasikara amin’ny fandaminana izay efa napetraka. Fanindroany tato anatin’ny herinandro izao no nanindry mafy ny amin’ny tsy maintsy hampiharana manontolo ny tondrozotra ity diplaomaty ity, misy dikany tena goavana amin’ny mety ho tohin’ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy ny vondrona eoropeanina izany, ary tahaka ny fanamafisana hatrany ny tsy maintsy hamelana ireo sesitany politika hody an-kalalahana an-tanindrazana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.