Politique

Vondrona Eoropeanina Handefa mpanara-maso fifidianana miisa 100


  • Alatsinainy 01 Oktobra 2018

Antomotra ny fifidianana. Mijery akaiky ny fikarakarana sy ny fizotran`ny fifidianana ihany koa ny vondrona eoropeana ka mpanara-maso vahiny manodidina ny 100 no hiditra an-tsehatra.

  Miisa 40 ireo mpanara-maso ny fifidianana hiasa maharitra eto amintsika, avy amin`ny Vondrona Eoropeana, izay hanomboka hiasa sy haparitaka manerana ny Nosy manomboka ny 6 Oktobra ho avy izao. Hijery ifotony sy hanaraha-maso ny dingana rehetra hanatanterahana ny fifidianana. Mialoha ny daty voatondro hanatanterahina ny fihodinana voalohany, mpanara-maso 40 tsy maharitra hafa indray no hanampy sy hanamafy azy ireo miampy mpikambana ao amin`ny vondrona eoropeana sy diplaomaty vahiny hafa. 48 ora aorian`ny fifidianana kosa no hanao tatitry ny fanaraha-maso nataony ireo irakan`ny vondrona Eoropeana ireo, hoy ny fanazavana nomen`ny lehiben`ny delegasionina misahana ny fanaraha-maso, Christian Preda, nandritra ny valandresaka niarahana tamin`ny mpanao gazety omaly tetsy Ankorondrano.

Voka-pifidianana sy ny olana misy

Karazany maro ny hala-bato nisy teto nandritra ny fifidianana tamin`ity repoblika fahefatra ity ary maro ireo toerana nahitana izany. Betsaka ireo kandida nihetsika fa tsy nahatanty ny fisian’ny hosoka. Anisan`ny antoka haneken`ny iraisam-pirenena anefa ny fifidianana eto amintsika ny fisian`ny mpanara-maso vahiny toy itony. Samy nandefa ny mpanara-masony avokoa ny SADC, Vondrona Afrikanina, ny Iraisam-pirenena, Vondrona Eoropeanina… hanatevin-daharana ireo fiarahamonim-pirenena efa manana traikefa amin`izany.  Mipetraka ny fanontaniana: mpanara-maso 100 ve hahavita hahenika ny distrika 119 eto Madagasikara ary ao anatin`ny 30 andro mahery? ahoana no hinoana ny valin’ny fanadihadiana sy ny firaketana an-tsoratra ataon’ izy ireo raha vitsy ireo mpanara-maso ampiasain’izy ireo? Matetika anefa, saika mitovy hatrany ny fanamarihana entin`izy ireny amin`ny filazana fa mizotra tsara amin`ny ankapobeany ny fizotran`ny fandatsaham-bato.  Ny tahan`ny fitaraina ataon`ireo kandidà aorian`ny androm-pifidianana no hanamarina raha tena nitombina ny asany izany mpanara-maso vahiny izany.

 

Marigny A.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT