Politique

Vondrona Eoropeanina “Atao ao anatin’ny fitoniana ny fifidianana”


  • Zoma 11 Mey 2018

Manoloana ny fanambarana nataon`ny CENI Madagascar mahakasika ny tokony handraisan`ny rehetra fanapahan-kevitra haingana sy fepetra mazava mikasika ny fifidianana ny talata lasa teo dia naneho ny heviny mahakasika izany ny teo anivon`ny Vondrona Eoropeanina (UE).

Nambaran`i Antonio Benedito Sanchez fa tsy manana safidy manokana amin`ny daty izy ireo satria tsy manohana kandidà ary tsy miandany amin`iza na amin`iza ka tsy afaka manolotra datim-pifidianana. Anjaran`ny samy Malagasy no mametraka datim-pifidianana, hoy hatrany ny Vondrona Eoropeanina. Nohamafisiny fa zava-dehibe ny firosoana amin`ny fifidianana ka tokony hatao ao anatin`ny fitoniana mba hisian`ny mangarahara tanteraka. Manoloana ny zava-misy eto Madagasikara kosa dia tsy maintsy manelanelana sy miantso fifampiresahana mba hisian`ny fitoniana eto amin`ny firenena izy ireo raha nambaran`ny masoivohon`ny Vondrona Eoropeanina. Manana zo feno ny mpanao politika mitaky ny fametraham-pialan`ny filoham-pirenena fa mila manaraka ny fitsipika mifehy ny lalàmpanorenana, hoy Atoa Antonio Bendito Sanchez. Mila miomana foana ny mpitondra satria rehefa mahazo toerana dia tsy maintsy misy foana ny mpanohitra ka mety hiafara amin`ny fametraham-pialan`ny filoham-pirenena, hoy ity ambasadaron`ny UE ity. Azo atao tsara ny fametraham-pialana saingy mila atao mifanaraka amin`ny lalàmpanorenana sy ara-demokratika. Tsy miditra amin`ny raharaha mahakasika ny fiainam-pirenena ny Vondrona Eoropeanina, hoy ny masoivohony fa vonona hanampy raha ilaina. Ny andraikitry ny UE dia ny fampifanatonan`ireo vondron-kery politika rehetra mba hisian`ny fitoniana eto amin`ny firenena ka miantso ny ankolafin-kery mba hifampidinika ny UE. Nankalazaina tetsy amin`ny Foiben`ny Vondrona Eoropeanina teny Ivandry ny alarobia lasa teo ny andron`i Eoropa izay hankalazaina isaky ny 9 mey.


Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT