Amin`ny ankapobeny dia tsy dia nahitana olana ireo biraom-pifidianana teto an-dRenivohitra notsidihan`ireo mpanara-maso avy amin`ny Vondrona Eoropeanina saingy nahatsikaritra birao tara fisokafana na dia resaka fandaminana anefa izany.
”
Somary nitsitaitaika rahateo moa ny fahatongavan’ny mpifidy tamin’iny maraina iny ka mora ny nanarina izany lesoka kely izany. Araka ny tatitra nataon`i Christian Preda, filohan`ny delegasionina misahana ny fanaraha-mason`ny fifidianana dia latsaka 4-5% ny isan’ny mpifidy tonga tamin’ny 12 ora atoanndro teo raha oharina tamin’ny fihodinana voalohany ary saika manerana ny Nosy no nahitana izany fihenana izany. 90%n`ireo birao fandatsaham-bato kosa dia hahitana solontenan`ireo kandidà roa tonta ka inoana fa miantoka ny fisian’ny mangarahara izany ary mampihena betsaka ny fahafahana mangala-bato sy manao hosoka. Mahakasika ny tranga teny Ambohipo izay nisian`ny fahaverezan`ireo biletà tokana dia nidera ny vaomeira mahaleo tena misahana ny fifidianana (CENI) amin`ny fandraisana ny andraikitra mivantana no raisiny avy hatrany satria afaka nizotra soa aman-tsara ny fifidianana tao aorian’izany. Nasian`ity lehiben`ny delegasiona ity teny ihany koa ny nahafatesana tompon’andraikitra amina biraom-pifidianana roa nisy namono tany amin’ny faritra atsimon’ny Nosy. Mirary hatrany ny vondrona eoropeanina mba samy hahay hiandry am-pitoniana ny valim-pifidianana ny kandidà roa tonta ary hahay hanilika ny fakam-pahany hidina an-dalambe ary satria, tsy amin’ny alàlan’izany akory no hahazoana fandresena, hoy ihany izy. Manantena fa hitohy hatrany amin’ny fanambaran’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana (HCC) amin’ny fomba ofisialy ny vokatra farany ny filaminana tsapa sy ny fahendrena nasehon’ny andaniny sy ny ankilany hatreto, hoy hatrany ny fanazavana. Nitafa fohy tamin`ny mpanao gazety tetsy Lisea Jean Jacques Ravearivelo Analakely ny solontenan`ny Vondrona Eoropeanina misahana ny fanaraha maso ny fifidianana filoham-pirenena eto amintsika.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.