Politique

Vondrona Eoropeana Mitaky fifidianana mangarahara


  • Alatsinainy 20 Aogositra 2018

Nisy ny dinidinika sy ny fifanakalozan-kevitra natao niaraka tamin’ny delegasion’ny vondrona eoropeana sy ny mpanao gazety ary ireo tompon’andraikitra amin’ny serasera eo anivon’ny ministera izay natao tetsy amin’ny hotely Tamboho Ambodivona tamin’ny zoma farany teo.

 

 Tanjona ny hanatsarana ny fiaraha-miasa amin’ny ankapobeny ary indrindra fa ny lafiny serasera. Manoloana izao fifidianana ho avy izao dia mitaky ny fangaraharana ny vondrona eoropeana ary nilaza hanara-maso akaiky ny fizotrany mba ho eken’ny rehetra ny vokatra hivoaka eo tsy hiverimberenan’ny krizy politika intsony. Mitohy ihany koa ny fiaraha-miasa ka hisy hatrany ny famatsiam-bola ny amin’ny sehatra fahasalamana sy ny angovo fa indrindra ny fanatsarana sy ny fanamboaran-dalana. Voaresaka tao ihany koa ny momban’ny fankalazana ny faha 60 taonan’ny fifandraisan’i Madagasikara  sy ny vondrona Eoropeana izay hiandrasana ny ambasadaoro vaovao izay hanomboka hiasa ny volana septambra ho avy izao. Giovanni no anarany ary teratany Italiana izy araka ny nambaran’ny  tonia miandraikitra ny politika sy ny fampitam-baovao ao amin’ny vondrona eoropeana, Ramatoa  Malala Rakotomaro. Tsiahivina fa ny ady amin’ny fahantrana sy ny fitoniana ara-politika hatrany ny tanjona apetraky ny vondrona eoropeana ary izy no mpiara miombon’antoka ara-toekarena voalohan’ny firenena Malagasy.

Tsirinasolo


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT