Manoloana ny fanapahan-kevitra noraisin’ny minisiteran’ny Atitany amin’ny tsy fametrahana ny sary sy ny anaran’ny kandida ao amin’ny bileta tokana, dia nanao fanambarana ny sabotsy tolakandro teo, tany Toliara, ny Vondrona Ambodivona nahitana ny Hiaraka Isika, MAPAR,
MMM, Antoko Maitso, AVANA, ary ireo kandidà amin’ny fifidianana Kaominaly miara-dia aminy any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana, milaza fa : « Ho fiarovana ny demokrasia Malagasy vao mitsimoka eto amin’ny tanindrazantsika, satria mitady hiverin-dalana ny fanjakana jadona noho ny fikasan-dratsin’ny mpanao politika sasany hanao fifidianana anjambany ( anonyme ) amin’ny tsy fametrahana ny famantarana an’ireo kandida dia takianay ny fanafoanana tsy misy hatak’andro ilay didim-panjakana 2015-630, nivoaka ny 7 aprily 2015, mba hisian’ny fifidianana mangarahara sy eken’ny rehetra. »
Ravao ny CENI-T
Takian’ny Vondrona Ambodivona ihany koa ny fanovana ny CENI-T amin’ny endriny ankehitriny, satria tsy ahitana taratra ny fifandanjan-kery politika misy ao amin’ny Antenimieram-pirenena. Arovan’ny Vondrona politika mafy sahala amin’ny anakandriamaso ny Antenimieram-pirenena ankehitriny izay maneho ny safidim-bahoaka nialana tamin’ny krizy ho antoky ny fahamarinan-toeran’ny fanjakana sy ny fampandrosoam-pirenena.
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.