Politique

Vondrona Afrikanina Mila jerena ny lafiny ara-tsosialy eto Madagasikara


  • Alarobia 17 Jona 2015

Nisolotena ny filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara tamin’ny fivoriana tampon’ny Vondrona afrikanina tao Addis-Abeba ny 14 sy 15 jona teo ny minisitry ny Raharaham-bahiny Malagasy Attalah Béatrice.

 

 Nanao tatitra sy nitondra fanazavana mikasika ny trangan-javatra miseho eto amin’ny firenena malagasy ankehitriny teo anoloan’ireo tompon’andraiki-panjakana tonga nanatrika ity fihaonamben’ireo firenena afrikanina 50 mahery moa ny lehiben’ny diplaomasia Malagasy. Goavana indrindra amin’izany ny fanapahan-kevitra fitsipahana ny fanonganana ny filoham-pirenena Rajaonarimampianina Hery izay noraisin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana. Nanamafy ny teo anivon’ny Vondrona afrikanina fa tsy misy afa-tsy ny fitoniana ara-politika sy ny fampanjakana ny fahamarinan-toeran’ireo andrim-panjakana voafidim-bahoaka no lalan-tokana ahafahan’i Madagasikara sy ny vahoaka Malagasy mizotra mankany amin’ny tena fampandrosoana. Teboka iray manokana nosinganin’ny fikambanan’ny fianakaviambe afrikanina moa ny tokony hijerena ny lafiny ara-tsosialy izay manome lanja ny fiainam-bahoaka amin’ny ankapobeny.

Nangonin-dRamano F

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT