Politique

Vondrona Afrikanina Hanome lanja ny vehivavy sy ny fampandrosoana


  • Zoma 30 Janoary 2015

Taonan’ny tsy fiankinan-doha hoan’ny vehivavy sy ny fampandrosoana ny 2015, araka ny tapaky ny fihaonana tampony tany Malabo Guinée équatoriale ny 26 sy 27 jiona 2014. Andrasana amin’ny fivorian’ ireo filoham-panjakana 50 mahery ao Addis-Abeba ny 30 sy 31

janoary 2015 kosa ny fanolorana ireo asa hotontosaina miaraka amin’ny drafitrasa mivaingana voasoritry ao anatin’ny tondrozotra fanomezana ainga vao ny toekarenan’ny kaontinanta mandritra ny 50 taona manaraka. Laharam-pahamehana hoan’ireo fanjakana afrikanina rehetra tao anatin’ny taona maro ny fampiroboroboana ny toekarena sy ny fanafoanana ny fahantrana. Nanampy betsaka izany ny fampiharana ireo tanjon’ny taona arivo fahatelo izay nampiakatra ny hari-karena afrikanina ho tena ambony manerantany. Hahatratra 4,6% ny PIB hoan’ny ireo firenena afrikanina atsimon’i Sahara ahitana an’i Madagasikara amin’ity taona 2015 ity izay hiakatra 5,1% amin’ny taona 2017 raha ny tatitry ny Banky iraisam-pirenena tamin’ny volana janoary teo. Hanamarika ny faha-20 taona nankatoavana ny Fanambaran’i Beijing miaraka amin’ny asa fanatanterahana sy ny faha-5 taonan’ny 10 taona natokana hoan’ny vehivavy afrikanina ny Vondrona afrikanina amin’ity taona 2015 ity. Hodinihana ao an-drenivohitra etiopianina ihany koa ny fisorohana ireo karazana aretina, ny fikarohana famatsiam-bola samihafa ho an’ny fikambanana, ny fomba hampiharana ny hari-karena tsy manavaka, ny filaminam-paritra ary ny fiaraha-miasa hiatrehana ny asa fampihorohoroana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT