Tsy ekenay, hoy ireto mpikambana tao amin’ny Kongresin’ny tetezamita teo aloha mivondrona ao amin’ny VPMAM notovanana V (vaovao) ny hoe ankolafin-kery eny amin’ny Antenimieram-pirenena ankehitriny no ho lasa mpitarika ny vondron’ny mpanohitra ka
hisitraka ny toeran’ny filoha lefitra faha-7 eny amin’ity andrim-panjakana ity satria izy rehetra ireo dia tsy nisy nitonona ho antoko mpanohitra velively hatrany amin’ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra nahatongavany eo amin’ny toerana maha depiote azy. Nampianay V ny anaran’ny vondrona misy anay ka lasa VPMAMV satria hampivondrona an’ireo vondrona mpanohitra efa misy ankehitriny izahay, na ny Gppo, na ry zareo avy amin’ny Veliranon’ny mpanohitra, na izy 5 mirahalahy efa nifanaiky ny hiaraka amin’izany fanoherana izany teto amin’ny 3 Frères Andrefan’Ambohijanahary izahay ka tsy maintsy hifidy sy hamoaka filohana mpanohitra iombonana avy amin’izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.