Politique

Volom-boasary milaza ho mpandresy sahady Mahafaly ny mpivoy adim-poko, hoy ny Fitoniana Tour


  • Talata 25 Septambra 2018

Vonona hiatrika fifidianana izahay, hoy ry zareo avy eo anivon’ny fikambanana Fitoniana Tour tamin’ny alalan’ny filohany, Sambahita.

 

 

 

 Hisy ny fandaminana hatao ato ho ato dia hanao fanambarana ny amin’ny kandida ho filoham-pirenena hotohanany ny fikambanana. Misy aza be dia be vita dia tadiavin’ny sasany hopotehana amin’ny fanasana atidoha amin’ny haino aman-jery. Fifidianana mangarahara sy eken’ny rehetra no ilaina. Irariana ny tsy hisian’ny fifampihantsiana sy haneken’izay resy. Raha ilaina ny fifampidinihana mialoh ny fifidianana dia heveriko fa tsy olana ny hanaovana izany fa tsy mbola fotoana hamaritana izay ho mpandresy izao fa aleo aloha handeha ny fifidianana. Tsorina, hoy hatrany ny tenany fa ry zareo volom-boasary mantsy sahy nilaza sahady hoe azy ny 52%-n’ny vato amin’ny fifidianana. Aza manao an’izany fa fanaovana tsinontsinona ny hafa izany ary mahafaly ireo mpandrangitra adim-poko hatramin’izay. Tsy voatery ho eo amin’ny fitondrana koa vao afaka manasoa ny firenena. Ny Fitoniana tour, ohatra, dia afaka nanampy ankizy kely tsy nahatsiaro tena tany amin’ny hopitaly tamin’ny taona 2015 fa mbola tsaroan’ny ray aman-drenin’ilay zaza foana.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT