Nolanian’ireo solombavambahoaka nivory teny Tsimbazaza omaly 13 novambra 2018 tamin’ny 3ora folakandro, ny fandaharam-potoana vaovao iasana nanomboka ny alatsinainy 12 hatramin’ny talata 27 novambra 2018.
Nitarika ny fivoriambe azon’ny besinimaro atrehina ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Rakotomamonjy Jean Max notronin’ny Filoha lefitra Razafindravelo Hermann. Toy izao ny fandaharam-potoana omaly 13 novambra 2018 tamin’ny 10ora maraina ny “Conférence des Présidents”, tamin’ny 3ora folakandro kosa ny fandaniana ny fandaharam-potoana. Ho an’ny anio alarobia 14 novambra 2018 manomboka amin’ny 10ora maraina ny “Présentation Générale du Projet de loi N°034/2018 portant Loi de Finances pour 2019 » na ny volavolan-dalàna mikasika ny tetibolam-panjakana 2019 hatolotry ny minisitry ny vola sy ny tetibola, izay harahina “Commission Pléniére” miaraka amin-dramatoa Minisitra. Rahampitso alakamisy 15 novambra sy ny zoma 16 novambra 2018 dia asam-baomiera momba an’ireto Volavolan-dalana manaraka ireto: 1-PL N°034/2018 momba ny tetibolam-panjakana 2019, 2-PL N°024/2018 tamin’ny 17 jolay 2018 momba ny fanavaozana ny lalàna N°2006-031 tamin’ny 24 novambra 2006 mikasika lasan’ny tsy miankina tsy vita titra. Talata 20 novambra 2018 sy ny alarobia 21 novambra 2018 dia ny fandaniana ny volavolan-dalan’ny tetibolam-panjakana ho amin’ny taona 2019-PL N°034/2018, ary aorian’izany ireo tolo-dalàna samihafa. Ny talata 27 Novambra 2018 amin’ny 10ora maraina no hivory indray ireo mpikambana ao amin’ny birao maharitra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.