Rehefa nifanjinjana nandritra ny roa andro ka voatery nanesorana andininy iray mafonja mihitsy dia lany tsy nisy nitsipaka tamin’ireo depiote tafajanona tao an’efitrano fivoriana ilay volavolan-dalŕna mahakasika ny fitsinjaram-pahefana 018/2014.
Nisy andiana depiote nivoaka ny trano anefa nialoha ny fanatanterahana ny tsangan-tanana ka ny voalohany tamin’izany dia ny depiote Mara Niarisy (Ankazoabo Atsimo) izay nilaza fa tsy tokony holaniana ity volavolan-dalàna ity fa hiandrasana an’ireo hetahetam-bahoaka amin’ny fangatahana famoronana kaominina, na distrika na koa Faritra vaovao. Manenjika ahy ny eritreritro fa toa tsy mahavita ny asa handrasan’ny vahoaka amiko aho, hoy izy, ka aleoko mangata-dalana hivoaka tsy hifidy ity lalàna ity izay fantatra fa tsy maintsy holanianareo ato. Nanaraka azy taoriana moa ny depiote vitsivitsy miray vondrona aminy ao amin’ny VPMM toa efa nifampiresaka mialoha. Taorian’ny fandraisam-pitenenana nataony koa avy eo dia nivoaka ny efitrano ny depiote Razanamahasoa Christine narahin’ny mpikambana Mapar vitsivitsy. Mahagaga, hoy izy, fa resaka fizarana an’Antananarivo Renivohitra no hita fa olana tamin’ity volavolan-dalàna ity nefa dia nampifangaroana tamin’izany koa ireo tanàna hafa toa an’i Nosy Be sy Ste Marie. Tena hita ao anatin’izany ny fahalemen’ny mpitondra ankehitriny, hoy izy, ary hisy fiantraikany amin’ny fitantanany izao zava-misy izao. Ireny Mapar nanana hevitra hafa ankoatra ny anay ireny no ilay “Mapar faible”, hoy ity depiote ity. Tsy niverina nanangan-tanana intsony koa moa izy sy ny namany vitsivitsy avy eo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.