Politique

Volavolan-dalŕna mikasika ny sata mifehy an’Antananarivo Maro ireo kaominina ivelany no tsy mankasitraka


  • Zoma 09 Janoary 2015

Hotanterahina manomboka amin’io herinandro vaovao ho avy io ny fivoriana ara-potoana hotanterahin’ireo solombavambahoaka rehetra manerana ny Nosy. Anisan’ny hodinihina mandritra izany ny fandaniana ny lalŕna mikasika ny sata mifehy

an’Antananarivo Renivohitra toy ny fanambarana azy amin’ireo kaominina hafa ivelany. Mbola betsaka anefa ny zavatra manjavozavo ao anatin’izany ka ilana fanazavana, raha ny nambaran’ny Ben’ny tanànan’i Tanjombato Rakotondrabe Maurice. Nasiany resaka manokana ny mikasika ny hetra izay notsindriany fa raha tena tanteraka tokoa izany dia tsy maintsy omena ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny hetra voaangon’izy ireo izay mahatratra hatrany amin’ny 30 %  raha mijanona  ho azy irery izany amin’izao fotoana izao. Toraka izany koa ny mikasika ny sata mifehy ny Ben’ny tanàna . Tsy ilay fitambarana loatra no olana, hoy hatrany ity Ben’ny tanàna ity fa ilay fandaminana sy fifampitsinjovana tokony hapetraka ao anatiny mihitsy. Mikasika ny fandoavan-ketra manokana ao amin’ity kaominina ity moa dia nambarany fa nihena ho 72 % izany raha nahatratra 75 % tamin’ny taon-dasa.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT