Politique

Volavolan-dalŕna hananganana ny CENI Nankatoavin’ny antenimieram-pirenena


  • Zoma 09 Oktobra 2015

Lanin’ireo solombavambahoaka niatrika ny tsangan-tanana natao tao anatin’ny fivoriana nitambarambe omaly ilay volavolan-dalŕna mahakasika ny fananganana ny Ceni. Nahatratra 85 ireo solombavambahoaka nijanona ny efitrano fivoriana ka ny 84 samy nanangan-tanana avokoa fa ny iray kosa tsy nilaza ny heviny.

 

 Nisy ireo ampahana depiote vitsivitsy, indrindra ny avy amin’ny Armada, nivoaka ny efitrano noho ny filazana fa tsy mba voajery tany amin’ny asam-baomiera ny tolo-dalàna natolotr’izy ireo. Nanana ny fahitany ny vokatry ny fifidianana ireo solombavambahoaka vitsivitsy tafaresaka tamin’ny Tia Tanindrazana.

Rivotiana  Richard Jean Bosco filohan’ny vaomieran’ny atitany

« Lany  tamin’ny (majorité absolue) ilay izy. Voalohany dia niova ilay volavolan-dalàna fa raha misy fahadisoana lehibe fanahiniana ataon’ny CENI dia azo toriana amin’ny rafi-pitsarana misy izy, eo koa ny faharoa ny fahazoan’ny tsy miankina miaraka amin’ireo antoko politika manolotra solontena ao anatin’ny mpikambana (non permanant) ao anatin’ity CENI ity. Manana alalana hanolotra olona 1 ho ao amin’ny (bureau permanant) ireo rafitra voatondro toy ny Antenimiera roa tonta, ny holafitry ny mpanao gazety, ny solontenan’ny Hcc, ny fitsarana samihafa … 9 amin’ny ankapobeny no isan’izy ireo ».

SARY : Ny depiote Rivotiana Jean Bosco

 

Raherisoa Vololona Victorine Boriborintany faha-VI

«Voaporofo fa tsy zarain’ny tsy fitovian-kevitra ny depiote fa samy mahatsapa fa tena ilain’ny firenena ny resaka fitoniana ankehitriny. Nazava koa teto fa tsy nanaiky be fahatany tsy akory izahay depiote matoa nisy ny fanitsiana natao tamin’ity volavolan-dalàna ity satria fantatsika fa ny fahalaniany no ahafahana mametraka ny rafitra manaraka ny Repoblika faha-4 tahaka ny Antenimieran-doholona sy ahafahana manatontosa ireo fifidianana rehetra manaraka. Azo ambara ankehitriny, hoy ity depiote avy any Lalangina ity, fa na dia misy aza ny tsy fitovian-kevitra teo aminay rehetra dia nampandeferina ny hambom-po fa ny tombontsoa ambonin’ny firenena no nobanjinina.

SARY : Ny depiote Raherisoa Vololona Victorine

 

Zafimahatratra Abel avy any Mananjary

« Nahafa-po tamin’ny ankapobeny ny fifidianana androany tety Tsimbazaza ary izahay amin’ny maha mpikambana ao amin’ny kaomision’ny lalàna anay dia naharaka fa nojerena akaiky ny tolo-dalàna natolotry ny Vpmm, ny CDE notarihan’i Serge Zafimahova ary ny Rdr.  Nisy ny fananganan-tanana natao ary dia ny hevitry ny maro an’isa no lany. Ny mahafinaritra ahy dia miverina indray eto ny filaminana eto amin’ny Antenimieram-pirenena ary mitombina ny isa 91 efa nanao sonia ilay “mémorandum” araka izany fa eo koa anefa ireo mamita iraka any ivelany, ireo marary … Nahena  ireo mpikambana amin’ny “Formation permanante” misy ao amin’ny rafitra fa lasa 9 monja izany raha nahatratra 21 tamin’ny rafitra teo aloha. Singanina manokana ny adihevitra nandaniana fa solontena toy ny administratera no tokony homen’ny Hcc ao amin’ny birao maharitry ny Ceni fa tsy izy ireo mivantana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT