Tondro iray ahafantarana fa tena ao anatin’ny kere tanteraka ny mponina any Atsimo dia ny fitotongan’ny vidina omby. Raha ny fantatra mantsy dia nidina ho dimy hetsy ariary ny vidin’ny omby iray vaventy, teo aloha anefa raha ny fanazavana dia nahatratra 1 tapitrisa ny vidin’ity biby fiompy iray ity
. Misy aza latsaky io vidiny amin’izao io. Tsy vitan’izany hoy ny mponina iray avy any an-toerana sady loholona teo aloha fa lasa fanararaotan’ireo mpanambola avy ety ivelany ny aferana omby any an-toerana ankehitriny. Araka izany dia manao antso avo ireo mponina any an-toerana mba hijerena vahaolana maika amin’ny haintany mamely azy ireo. Tsy ny omby ihany no tratry ny vidiny ambany fa eo ihany koa ny osy sy ny ondry.
Tojo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.