Politique

Vokatry ny delestazy Betsaka ireo olona very fitadiavana sy simba fitaovana


  • Talata 09 Desambra 2014

Tena nanimba zavatra maro teo amin’ny asa fihariana teto amintsika, volana vitsivitsy lasa izay ny fisian’ny delestazy. Ankoatra ireo karazana orinasa kely niharin-doha taorian’ny krizy mantsy nefa niverina nikatona indray dia tsy vitsy ihany koa ireo olona simba fitaovana, indrindra fa ireo miasa mivantana mila herinaratra.

Ampahany amin’izany ireo hatolotray ho anao ireto.

 

Michel, mpivarotra trondro: Tena efa tsy rariny intsony mihitsy ny zava miseho e ! Mba fantatry ny mpitondra ihany ve ny fahoriana aterak’izany, indrindra fa ho anay mpivarotra mampiasa herinaratra ? Ho anay mpivarotra trondro fotsiny izao,  raha vao misy fahatapahana na dia fotoana vitsy monja aza dia efa betsaka ny fatiantoka satria ny andro mafana ny entana mila fampangatsiahana hatrany. Tsy vitan’izay fa ny fitaovana dia simba vokatry ny fiakarana sy fidinan’ny herinaratra.

 

Mme Sandra, mpitantana salon de coiffure: Tokony ho tonga saina amin’izay ny JIRAMA, indrindra amin’izao andro manakaiky fety izao. Betsaka anie ny olona no miankina tanteraka amin’ny  herinaratra ny fivelomany e ! Ny tena mampalahelo mantsy dia ao anatin’ny fotoana tena ilana azy no tapaka ilay jiro, hany ka miha vitsy ny mpanjifa. Ho anay mampiasa fitaovana mandeha amin’ny herinaratra izao ho an’ny asa fivelomana dia mijaly tanteraka vao tapaka ny herinaratra satria ny fitaovana simba ny  fahasorenana azo. Amin’ny maha orinasa lehibe azy koa ny JIRAMA dia tokony hamaha olana hatrany.


Olivier, mpanao asa tanana: Fiangaviana no atao, mba mitadiava re vahaolana haingana ry mpitondra fa mijaly ny vahoaka madinika ! Fotoana izao tena hisehoan’ny mpitondra fa mahay mitady vahaolana maika izy ireo fa tsy manao be resaka fotsiny. Izahay izao tsy sasatra ny iadian’ny mpanjifa fa tsy vita ara-dalàna ny komandy rehetra. Tsy miankina aminay anefa ilay izy fa noho ny delestazy lavareny. Tena leo aloha izahay e ! Raha izao no mitohy dia tsy maintsy hitroatra ihany ny vahoaka amin’ny farany.


Mpitantana cyber: Tena manembantsembana ny asa ny fisian’ny delestazy amin’ny ora fikandrana. Mampihen-danja ny fikaramana sy mampimenomenona ireo mpanjifa efa zatra mandalo amin’ny fotoana mahazatra. Tsy tenenina intsony ny fahasimbana ara-pitaovana sy ny fatiantoka vokatr’ireo ora 3 na 4 faharetan’ilay fahatapahan’ny herinaratra.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT