Miandry ny fahafenoan’ny valim-pifidianana avy amin’ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana na ny CENI ny rehetra amin’izao fotoana.
Andrasana ny 20 novambra hamoahan’izy ireo ny voka-pifidianana vonjimaika, izay mbola hodinihin’ny HCC avy eo, ka ity rafi-pitsarana ity no hamoaka ny vokatra tena izy amin’ny 29 novambra farafahatarany. Miteraka adihevitra anefa ny momba ireo birao fandatsaham-bato misy olana na ny "BV anomalie”. Rehefa ahitana kajy tsy mitombina sy tsy mifanaraka ny PV scanné iray sy ny taratasy misy ny voka-pifidianana avy any amin'ny biraom-pifidianana (fiche de dépouillement scanné) dia sokajiana ho "BV anomalie" vonjimaika ilay biraom-pifidianana. Izay ilay hitantsika eo amin'ilay famintinana ny vokatra voaray hoe "BV anomalie". Ireo "BV anomalies" dia iandrasana ireo PV azo raisin-tanana (PV réel) sy ireo antontan-taratasy hafa avy any amin'ny biraom-pifidianana. Averina hamarinina tsara ny kajy rehefa tonga ny PV réel ary alefa any amin'ny HCC izay rehetra ahitana tsy fahatomombanana, ity farany no manapa-kevitra na hofoanana izy ireny na tsia. Ny CENI dia tsy manana fahefana hanitsy sy hanova ny kajy ao anaty pv sy “fiche de depouillement” na misy diso aza izany. Tsy manana fahefana hanafoana biraom-pifidianana avy hatrany ao anatin'ny famoahany ny vokatra vonjimaika, ka dia any amin’ny CENI izany ny baolina. Hatramin’ny omaly tamin’ny 9 ora sy 18 minitra alina, dia ny voka-pifidianana ho an’ny birao fandatsaham-bato 12.327/24.852 no navoakan’ny CENI, izay manome 46,60% amin’ny birao. Mbola misy birao fandatsaham-bato miisa 4286 anefa nosokajiana ao anaty “anomalie”, ka raha tombanana ho misy mpifidy 200 isaky ny birao fandatsaham-bato, dia hatrany amin’ny 8 hetsy na 9 hetsy mahery ny vato no tsy voakajy. Raha handinika ireny ny HCC, ka hivadika ho azo raisina ny isam-bato voasoratra rehefa vita ny fanadihadiana sy ny mety ho fampitahana ny PV, dia hanova ny voka-pifidianana izany. Na hofoanana tanteraka ireny na hisy ampaham-bato hofoanana. Ny azo heverina dia hanova ny kajikajy sy ny vokatra avy amin’ny CENI ny havoakan’ny HCC.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.