Nifarana omaly sasakalina ny fampielezan-kevitra ho an`ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa ary miroso amin`ny fahanginana ara-pifidianana (silence electoral) isika anio.
Tsy misy intsony ny endrika fampielezan-kevitra azo atao amin`ny lafiny rehetra ary voalazan`ny lalàna izany ka hatramin`ny hifaranan`ny fandatsaham-bato. Misokatra amin’ ny 6 ora maraina ny latsabato ary mikatona amin’ny dimy ora rahampitso 19 desambra hanatanterahana ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana filoham-pirenena eto amintsika. Tsy misy intsony ny olona mahazo manao fampielezan-kevitra, na mizara trakta mifono propagandy, ny fametrahana afisy… ary efa voarara ny lalàna ho ny teo anivon`ny vaomiera misahana ny fikarakarana fifidianana (CENI). Manentana ny tsirairay amin`ny fiantrehana ny fifidianana rahateo ny CENI. Ankoatra ireo efa nanentanana antsika momba ny zo sy ny adidin'ny olompirenena ao anatin'ny fifidianana, hoy ity vaomieram-pirenena ity dia tena zava-dehibe indrindra ny fiandrasana am-pitoniana ny voka-pifidianana avoakan'ny CENI sy ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC). Araka ny nambaran`ny teo anivon`ny CENI dia manana dimy (5) andro ny sampana mpanisa vato eny anivon'ny distrika na ny SRMV aorian'ny androm-pifidianana hanatanterahany ny asany. Manana 7 andro aorian'izay kosa ny CENI ary ny 01 janoary farafahatarany no tokony hamoahany ny voka-pifidianana vonjimaika araka ny lalàna mifehy ny fifidianana. Sivy (9) andro kosa no ananan'ny HCC hamoahana ny voka-pifidianana ofisialy.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.