Politique

Voka-pifidianana Tsy voatery hitovy ny an`ny CENI sy ny HCC


  • Sabotsy 24 Novambra 2018

Namoaka fanambarana ny alakamisy teo ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) nilaza fanitsiana izay tsy eo amin`ny lafiny isan-jato fa eo amin`ny isa mahakasika ny olona nifidy.

 Ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) amin`izao dia an-dalana mamoaka ny antontan-taratasy rehetra ahafahana mamoaka voka-pifidianana ofisialy amin`ny 28 novambra ho avy izao. Araka ny nambaran`i Imbiky Herilaza, mpitsara sady mpahay lalàna, ny lalàna 2015-020 mahakasika ny CENI sy ny 2018-009 amin`ny andininy faha-60 dia milaza mazava fa hatsahatr’io vaomieram-pirenena io ny fanisam-bato ka rehefa tapitra dia mamoaka voka-pifidianana vonjimaika. Aorian`izay kosa,  tsy manana fahefana intsony ny CENI hanova ny kaonty eo aminy fa iny voka-pifidianana vonjimaika iny miaraka amin`ny antontan-taratasy rehetra sy ny fanamarihana izay mety ho hita dia tsy maintsy alefa eo anivon`ny HCC ka manana sivy andro araka ny and-61 no manao fikirakirana ny fanisana rehetra. Manaraka izany, araka ny voalazan`ny HCC dia izy ihany no afaka mitsara ny raharaha mahakasika ny fifidianana sy ny voka-pifidianana ofisialy. Amin`ny maha mpitsara azy, afaka manampy izy eo amin`ny vokatra, manova, mampitaha fa izy ihany no apetraky ny lalàna afaka mamoaka ny voka-pifidianana. Tsy voatery hitovy anefa ny havoakan`ny CENI sy ny avy amin`ny HCC. Tsy azo adinoina ihany koa, hoy ity mpitsara ity fa ny and. 65 amin`ny lalàna 2018-009 no jerena dia tsy mitsara ny vokatra havoakan`ny CENI ny HCC fa mitsara ireo vokatra havoakan`ny biraom-pifidianana sy ireo azo avy amin`ireo fitanana an-tsoratra avy amin`ny SRMV (Section de recensement des materiels de vote). Nametra-panotaniana i Imbiky Herilaza ny amin`ny fisian`ireo “anomalie grave” izay mety hitarika fanafoanana fifidianana fihodinana voalohany na fanovana goavana amin`ny vokatra navoakan`ny CENI. Araka izany, mety misy fanovana, mety misy vato miakatra na midina fa kosa tsy ahafahana manafoana ny fifidianana manova ny vokatra azon`ny kandidà. Raha fehezina, miroso amin`ny fihodinana faharoa ny fifidianana filoham-pirenena, hoy hatrany fanazavana.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT