Politique

Voka-pifidianana ofisialy Tsy hiova Antananarivo, mety haverina i Fianarantsoa sy Antsirabe


  • Alarobia 09 Septambra 2015

Ny elanelam-bato eo amin’ny kandida roa voalohany sy ny vesatry ny fitoriana no mety ho antoka hahatonga ny famerenana ny fifidianana Ben’ny tanàna ao anatin’ny 120 andro farafahatarany aorian’ny fanambarana ny vokatra ofisialy.

 


Tsy maintsy hisy ireo fifidianana Ben’ny tanàna haverina. Loharanom-baovao azo antoka io. Ireo fari-pifidianana nahitana tsy fahatomombanana tena nisongadina ary tena afaka nampiova ny voka-pifidianana no hiharan’izany. Jerena ihany koa anefa ny elanelam-bato nisy teo amin’ny mpifanandrina roa nahazo vato be indrindra ka raha ety dia ety izany dia betsaka ny herijika hamerenana ny fifidianana. Ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana ihany anefa no tompon’ny teny farany amin’ny didy havoakany. Raha ireo fanamarihana notanisaina teo ambony ireo dia anisan’ny mety haverina ny fifidianana Ben’ny tanàna tao Fianarantsoa I na ny ao an-tampon-tanàna izany izay nahazoan’ny antoko HVM sy MAPAR vato betsaka indrindra sady tery dia tery ny elanelana. Mitovy amin’izay ihany koa ny ao Antsirabe tampon-tanàna izay nahazoana fitarainana betsaka ihany koa kanefa ny elanelam-bato misy eo amin’ny kandida laharana voalohany sy faharoa dia manodidina ny 400 monja.

Tsy anisan’ny averina kosa ny an’Antananarivo Renivohitra raha araka ny vaovao voarainay hatrany. Nisy ny fitarainana teo amin’ny mety tsy ho fahatomombanana madinidinika saingy tsy tonga any amin’ny fanafoanana ny vokatra na ny famerenana ny fifidianana izany, hoy hatrany ny loharanom-baovao. Tsiahivina fa ny Fitsarana no hamoaka ny vokatra amin’ny zoma 18 septambra ho avy izao amin’ny alalan’ny didim-pitsarana ka 120 andro farafahatarany aorian’izay no vitaina ny fifidianana famerenana.

Andry Ratovo


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT