Politique

Voka-pifidianana ofisialy Hivoaka amin’ny 28 novambra


  • Alakamisy 22 Novambra 2018

Fitoriana mahakasika fanafoanana voka-pifidianana amin`ny birao fandatsaham-bato noho ny fisiana fandikan-dalàna fampitahana an-tsoratra rehetra manerana ny nosy, fangatahana fanaraha-maso ny fitaovana fikirakirana voka-pifidianana teo anivon`ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI)…

 no anton’ireo fitoriana napetrak`ireo kandidà teo anivon`ny Fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana (HCC). Hatramin`ny talata amin`ny 12 ora alina dia miisa 212 ireo  fitoriana voaray teo anivon`ity Fitsarana ity. Raha ny fampitam-baovao voaray tamin`ny tranonkalan`ny HCC dia tsy nanavahana ireo nametraka fitoriana fa samy nametraka izany avokoa ny rehetra. Voalaza ao anatin`ny fanambarana ofisialy ny fizotran`ny asa sy ny dingana misy ny fandinihan`izy  ireo. Eo am-pandinihana ny tsy fetezana sy tsy fanarahan-dalàna ny HCC amin`izao fotoana izay mety ho tonga amin`ny fanafarana avy amin`ny CENI ireo antontan-taratasy nandraisana an-tsoratra ireo valim-pifidianana sy ireo biletà tokana mba haverina isaina raha ilaina. Nomarihan`ny tale kabinetran`ny HCC, Andrianirina Ratsarazaka Ratsimandresy fa manao ny asany ity Andrim-panjakana ity ary isaky ny birao fandatsaham-bato sy isaky ny kandidà no hanaovana ny fanaraha-maso. Nanomboka ny sabotsy 10 novambra lasa teo  no nanomboka nanatanteraka fanamarinana ireo fitanana an-tsoratran`ireo birao fandatsaham-bato ny eo anivon`ny Fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana. Nilaza kosa ity tale kabinetra ity fa tsy mitovy ny rindram-baiko ampiasain`ny CENI sy ny HCC amin`izao fanamarinana ataony mialoha ny hamoahana voka-pifidianana ofisialy. Araka izany, voaara-maso avokoa ny rehetra satria samy manana ny fitantanana an-tsoratra ny CENI sy ny HCC ka ny safidin`ny vahoaka Malagasy no havoakan`ny HCC ary tsy misy ankoatra izay, hoy hatrany ny fanazavana. Marihana fa ny alarobia 28 novambra amin`ny 10 ora maraina no hanambaran`ny HCC amin`ny fomba ofisialy ny voka-pifidianana tamin`ny fifidianana filoham-pirenena.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT