Na miezaka mivoy sy milaza ho tsy mitanila sy tena manao ny asany ao anatin’ny mangarahara aza ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana na ny CENI, dia maro ireo toe-javatra tsapan’ny olom-pirenena ho miteraka ahiahy.
Raha nambara tany aloha fa havoaka isaky ny birao fandatsaham-bato ny voka-pifidianana, dia tsy hita taratra izany amin’izao fotoana izao. Valim-pifidianana bambaray ary mitarazoka, tsy fantatra mazava hoe avy amin’ny birao fandatsaham-bato avy atsy na avy aroa azy, izay mampitombo ny ahiahy. Nolazaina fa zoma na sabotsy dia mivoaka ny fironana na ny “tendance” saingy inona akory no teo ? Nambara fa manana fitaovana raitra hanafainganana ny famoahana ny voka-pifidianana saingy vao mainka nitarazoka, kanefa ny kandida hamoahana fampitandremana mba tsy hamoaka ny vokatra eo am-pelatanany mba ho fantatry ny Malagasy. Samy nimenomenona ny ankamaroan’ny kandida tamina lafin-javatra maro, raha tsy hilaza afa tsy ny lisi-pifidianana niteraka resabe. Ireo vondron’ny kandida nitaky ny fanadiovana ny lisi-pifidianana aza dia nilaza fa mahatratra 2 000 000 mahery izany. Tao kosa ny kandida izay niaiky fa tena misy tokoa ny lesoka, kanefa tokony handeha ny fifidianana satria tsy hisy ho afa-po 100% izany. Kandida iray monja no toa tsy mba nahenoana feo nitondra kiana tamin’ny fikarakaran’ny CENI ny fifidianana, dia i Andry Rajoelina. Tena afa-po tanteraka ve sa kosa efa mety mipetrapetraka ny resaka kajikajy maloto amin’ny hampandresena azy ka nangina sy miandry fotoana fotsiny ? Mampiahiahy ! Ny mpanara-mason’ny Vondrona Eoropeanina dia efa nanabaribary fa nizara vola i Andry Rajoelina tamin’ny fampielezan-kevitra. Ny vahoaka aza hahavitany an’izany mainka fa olona vitsivitsy ka iza tokoa moa no nahita izay mety ho zava-niseho tany ambadibadika tany. Ny fomba fiasa sy voka-pifidianana madio no hitsaran’ny rehetra ny tsy fitanilan’ny CENI sy hamafa ny ahiahiahy samihafa, saingy hatreto aloha dia mbola maro ny olom-pirenena tsy mahatoky sy mimenomenona. Ekena dia ekena tokoa fa manan-jo feno hanao fampitahana ny voka-pifidianana voalazan’ny CENI sy ny eo am-pelatanany ny kandida na ny “confrontation” miainga amin’ny fitanana an-tsoratra (PV), fa ilain’ny olom-pirenena ny fangaraharana dieny aty am-piandohana ary tsy hisy zavatra tokony hafenimpenina ao satria ny ahiahy tsy hihavanana. Tompon’antoka feno amin’ny korontana mety hiseho eto amin’ny firenena ny CENI sy ny HCC raha sanatriavin’ny vava, ka tena hibaribary eo ny mety fisian’ny kajikajy maloto samihafa.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.