Feno 30 andro amin’ny zoma 18 septambra izao ny fe-potoana nomen’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny Fanjakana hamoahana ny voka-pifidianana kaominaly ho an’ny faritany Mahajanga
. Niisa 427 ireo fitarainana voarain’ny Fitsarana ary nodinihina tao anatin’ny fotoana nomena. Ny fitaraina mikasika ny fampielezan-kevitra ny andron’ny fifidianana, ny fividianana vaton’ireo mpifidy ary ny fanalam-baraka eo amin’ny samy kandida no maro tamin’ireo fitarainana voarain’ny Fitsarana. Valo ireo mpitsara no niara-nifarimbona tamin’ny fandinihina ireo vokatra ireo. “Mety hisy fiovana ny vokatra”, hoy ny mpitsara izay tafaresaka taminay. Niteraka ahiahy amin’ireo kandida mpifaninana io fanambarana io. Raha tsiahivina ny vokatra navoakan’ny SADIR ho an’i Mahajanga I dia ny Mapar no mitarika izay nahazo ny salanisa 41,23% raha 33,07% ny an’ny Hvm.
Tolin
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.