Politique

Voka-pifidianana Hivaly ao anatin’ny 12 andro


  • Zoma 02 Novambra 2018

Notanterahina ny alarobia teo ny varavarana misokatra momba ity rindrambaiko ity tetsy CENI Nanisana izay nantsoina ireo fiarahamonim-pirenena, solontenan’ny kandidà ary ireo mpanara-maso fifidianana isan-tsokajiny.

 

 

 Nampahafantarina ho an’ny besinimaro ny rindrambaiko hanamorana ny famoahana ny voka-pifidianana ofisialy. Ny eo anivon’ny SRMV na « Service de recensement de materiel de vote » no hikirakira ity logiciel voalohany ity. Mba hisian’ny fifidianana madio sy mangarahara, mba hahatomombana ny voka-pifidianana, indrindra ny hanamorana izany no antony ampiasana ny rindrambaiko atao hoe « Traitement de resultat  version 2.5 » ity. Mizara roa mazava tsara ny asan’ity « logiciel » ity aorian’ny fanisam-bato syfanisana ny voka-pifidianana. Eny anivon’ny fokontany sy ny distrika no tena ilana azy. 12 andro ao aorian’ny fifidianana no hamohana ny voka-pifidianana vonjimaika ka aorian’izay no hatolotra eo anivon’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenena (HCC) ny voka-pifidianana. Izany hoe, dimy andro ao aorian’ny fikirakiran’ny SRMV ny voka-pifidianana dia sivy andro aorian’izay no miampita mankany amin’ny HCC. Araka izany, ny kiana sy fanamarihanana dia ny CENI no mandray  izany avokoa.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT