Tany Moramanga tao anatin’ny lanonam-pamaranana ny fifaninanana rallye RIM 2018 tamin’ny sabotsy 22 septambra teo no nanambaran’ny depiote Randriamahefa Henri Charles voafidy tany amin’ity distrika ity fa efa tokony hihetsika amin’izay ny CENI,
mba hahato ny maha rafitra matanjaka azy, hampanao « Dina » an’ireo kandidà ho filoham-pirenena miisa 36 mba samy hanaiky avokoa an’izay voka-pifidianana mivoaka amin’ny 7 novambra 2018 eo fa tsy sanatria hitarika korontana eo indray izay tsy tafita amin’ny dingana faharoa. Hatrizay mantsy teto amintsika, hoy izy, dia efa zary fahazaran’ireo kandidà tsy lany ny filazana fa « nisy ny hala-bato ». Tokony hialana amin’izay io foto-pisainana io, hoy ity depiote ity, ka samy hiezaka hanapariaka ny delegem-pifidianan’izy ireo manerana an’ireo biraom-pifidianana manerana ny nosy ireo kandidà 36 hanara-maso ny fifidianana sy ny vokatra azo amin’izay dia hanjaka ny tena demokrasia marina ka samy hahazaka resy avokoa.
Mikasika ny rallye RIM 2018 natao tany Moramanga dia nambaran’ny depiote Henri Charles fa hisaorana ny orinasa Fanalamanga nanaiky nikarakara ny hetsika izay nambarany fa tokony hisy ilay filazan’ny Frantsay hoe : « Jamais 2 sans 3 » satria mangetaheta hetsika matetika tahaka izao ny vahoakan’i Moramanga.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.