Politique

Voka-pifidianana fihodinanana faha-2 Ilaina ny fiaraha-manamarina azy


  • Alakamisy 20 Desambra 2018

Ahian’ny maro hiteraka korontana eto amin’ny firenena ity fifidianana fihodinana faharoa ity noho ny sahoan-dresaka nanodidina azy efa ho andro maromaro izay ary indrindra ny zava-nitranga omaly nialoha sy nandritra ny fandatsaham-bato.

 

 

 

Tsirin-kevitra avy tamin’ny mpanara-maso iraisam-pirenena iray ny hiaraha-mitsirika ny hosoka, hisian’ny mangarahara. Efa mahatsinjotsinjo an’izany mety hisian’ny korontana izany ny mpanara-maso iraisam-pirenena ka te-hametraka arofanina. Tsy afa-mitsabaka amin’ny fikarakarana fifidianana ireto mpanara-maso ireto saingy nanome ny heviny manokana ihany ny iray amin’izy ireo, omaly, hisorohana ny korontana. « Tsara ny hisian’ny komity iraisan’ny solontenan’ny kandidà sy ny Ceni ary ny fianakaviambe iraisam-pirenena, hanamarina ny antontan-taratasy rehetra nampiasaina nandritra ny fandatsaham-bato mialohan’ny hamoahana ny vokatra ofisialy, ho fitandroana ny mangarahara », hoy izy. Tsy maintsy teknisiana avy ao amin’ny Trano pirintim-pirenena izay manampahefana amin’ny fanamarinana ny antontan-taratasim-panjakana eto Madagasikara anefa no hantsoina hanatanteraka ny fitsirihana hatrehin’ny rehetra, hoy izy, hampahadio ny eritreritry ny tsirairay ka hampisy ny filaminana amin’ny fanekena ny voka-pifidianana hivoaka.Nohamafisin’ity mpanara-maso iraisam-pirenena iray ity fa avy aminy manokana ny hevitra navoakany fa tsy ofisialy velively.

 

Ntsoavina Evariste

 

el)

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT