Distrika 30 amin’ireo 119 eto Madagasikara no nahatonga ny antontan-taratasy mirakitra ny valim-pifidianana tany aminay omaly 12 novambra, hoy ny filoha lefitry ny CENI Thierry Rakotonarivo.
Tsy misy ny fahatarana raha io fahatongavan’ny voka-pifidianana eny enivon’ny SRMV eny anivon’ny distrika no jerena. Manomboka efa zatra ihany koa ireo ankizy mpikirakira ny vokatra ato aminay raha ny lafiny fomba fiasa no resahana. Manomboka eto, ezahana ho vokatra avy amina biraom-pifidianana miisa 3.500 isan’andro no hotratrarina. Tapitra rahampitso (TTF: anio), ny fetra nomen’ny lalàna hanateran’ireo SRMV ny vokany ary manomboka eo izahay no tena afaka miasa haingana kokoa mba hahazoana vokatra azo hamarinina sy azo antoka. Mety ho lasa 1 andro mialoha ny fotoana nomen’ny lalàna aza no hanateranay ny vokatra eny amin’ny HCC raha toa ka tara 10 andro izany teo aloha. Nomarihin’ity tompon’andraikitra ity fa tapa-bolana teo aloha no fetra nomen’ny fanjakana ny CENI hanaterana ny vokatra ho eny amin’ny HCC saingy herinandro kosa tamin’ity fifidianana ho filoham-pirenena farany ity. Nambaran’ny filoha lefitry ny CENI moa fa afaka mijery ny fitanana an-tsoratra amin’ny fotoana rehetra eny amin’ny foiben’ny CENI ireo solontenan’ny kandida.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.