Politique

Voka-pifidianana avoakan’ny CENI Mandalo fanaraha-maso hentitra


  • Zoma 09 Novambra 2018

Amin`ny ankapobeny, mbola vokatra vomjimaika izay azo teo anivon`ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) ka ampaham-bokatra raha ny biraom-pandatsaham-bato no hasian-teny.

 

 

 

Tsikaritra fa tara ny famoanana voka-pifidianana, indrindra eto Antananarivo ka nitondra fanazavana momba ny fizotry ny fandraisana ireo voka-pifidianana avy any amin'ny birao fandatsaham-bato mandra-pahatonga ny famoahana ireo ampaham-bokatra ho hitan'ny daholobe ny filoha lefitry ny CENI, Rakotonarivo Thierry. Rehefa tonga ny vokatra eny anivon`ny SRMV (section de recensement de materiel de vote)  avy amin`ny biraom-pifidianana dia halain`ny eo anivon`ny CENI sary ireo fitanana an-tsoratra (P.V) ka  avy eo hadika ao anatin`ny solosaina (saisie) ny asan`ny SRMV. Ireo zavatra roa ireo  no ahafahan`ny CENI manao ny asa fampitahana sy fanamarihana ka mahatara ny fanangonana vokatra mba ahafahana manana vokatra azo antoka, hoy hatrany izy. Nohamafisiny fa tsy maintsy atao izay fomba fiasa izay mba tsy hiteraka korontana.  Notsipihany kosa fa milamina ny fomba fiasa ary efa eo am-pamaranana amin`ny fanaovana “saisie” ny eo anivon`ity rafi-panjakana ity ka ho betsaka ny voka-fidianana hiakatra. Fa raha hamoaka voka-pifidianana vonjimaika dia manao fanamarihana fanindroany izy ireo ka izay sary sy “saisie” nanaovana fanamarinana teo am-boalohany. Rehefa tonga indray ilay “PV physique” na ilay tena taratasy dia mbola hamarinana fanintelony. Rehefa mitovy ireo zavatra telo ireo dia izay vao tena afaka milaza ny vokatra vonjimaika. Manainga an`ny mpifidy indrindra ireo kandidà i Thierry Rakotonarivo mba hanana faharetana sy mba hanana ny soa ary manome toky ny CENI fa tsy misy mihitsy ny hevitra hafa na fikirakirana mety hitarika fitanilana manondidina an`izao famoanana voka-pifidianana izao fa tena lafiny teknika ahafahana hahazo tsara voka-pifidianana azo antoka ka mangarahara ny eto fa izay voka-pifidianana, hoy hatrany fanazavana. Manamafy ny filoha lefitra fa tsy misy mihisty fametrahana hanana tombon-dahiny kandidà iray amin`ny famoanana voka-pifidianana eto amin`ny CENI.

 

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT