Nifarana omaly ny fihainoan’ireo mpitsara misahana ny ady amin’ny fanjakana eto Antananarivo ireo mpitory sy notoriana tamin’ny fifidianana kaominaly notanterahana ny 31 jolay 2015 teto Madagasikara. Handinika sy hamakafaka ireo dosie an-jatony eo am-pelatanany amin’izay ireo
tompon’andraikitra voakasik’izany manomboka izao. Tranga maro no mety hitranga aorian’ny didim-pitsarana tokony hivoaka ny alakamisy 17 septambra ho avy izao. Na hanamafy ny voka-pifidianana vonjimaika efa navoakan’ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana nandritra ny tetezamita (CENI-T) ny Fitsarana tompon’ny teny farany na hanafoana ny voka-pifidianana ampahany na manontolo na mitaky ny hamerenana ny fifidianana ihany koa ho an’ireo Kaominina sasantsasany. Ny tsikaritra nandritra izay efatra andro izay aloha dia nisy ireo fitoriana mitombina ary teo ihany koa ireo fitarainana tsy azo raisina. Raharaha iray nahasarika ny mpanara-baovao manokana ny fitorian’ny fikambanana Freedom ny antoko Tiako I Madagasikara teto Antananarivo Renivohitra. In-droa nampifanatrehana rahateo ny roa tonta ka omaly ny faharoa sady farany. Olana fototra nampifanolana ny an-daniny sy ny an-kilany ny fahitana ilay soratra «Neny» tao amin’ny biletà tokana TIM. Samy niezaka nandresy lahatra ireo mpitsara tamin’ny fahaizana lalàna izy ireo ka dia ho hita eo ny vokany afaka herinandro. Tranga iray hanampy betsaka ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana amin’ny fanapahan-kevitra izay horaisiny moa ny fahavononan’ny CENI-T hanazava ireo pitsopitsony rehetra takian’ny mpitsara momba io teboka kely tsy ifanarahana io.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.