Voatsipaka ambavafo i Hajo Andrianainarivelo Nanolotra olona ho minisitry ny VPM

MMM II


  • Zoma 16 Janoary 2015

Nipatitaka ny VPM/MMM ka nijoro ny VPM/MMM II. Nanambara mazava ireo solombavambahoaka eo anivon’ity vondrona nisintaka tamin’i Hajo Andrianainarivelo ity fa ny kajikajy politika ataon’ny mpanao politika hatrizay sy tadiavin’ny sasany mbola tohizana hatramin’izao no mamotika ity firenena ity. Tokony hotohanana ny mpitondra nofidiam-bahoaka ary izany no antony nahatonga azy ireo nisintaka tao amin’ny VPM/MMM.

Naneho fahavononana hiara-kiasa sy hifanome tanana amin’ny mpitondra ankehitriny izy ireo, satria amin’izy ireo ny taotrano tsy vita raha tsy ifanampiana. Ho marik’izany dia nanolotra an-dRakotoarisoa Gérard, ho minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena ity vondrona ity. Ankoatra ny diplaoma ambony ananany dia efa nisahana andraikitra maro teo anivon’ny minisiteran’ny tanora sy fanatanjahantena ny tenany. Filoha mpanorina ny klioba mpanao Kick-boxing GISL (Grande Ile Sport et Loisirs), Filohana klioba Tae-kwondo any amin’ny Faritr’i Vatovavy Fitovinany no filohan’ny ligin’ny Judo any, Filohan’ny section Foot-ball ao Manakara ihany koa ny tenany ankoatra ny maha mpikambana azy eo anivon’ny fikambanana maro any amin’ny Faritra Vatovavy Fitovinany toerana niaviany.

Ny fifanomezan-tanan’ny rehetra no hisian’ny fampandrosoana ary tokony ho efa hialana tanteraka amin’izay ny fanakorontanana eto amin’ny firenena, hoy ihany ireo VPM/MMM II.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT