Raha tsy misy ny fiovana dia hiakatra fampanoavana amin’ity anio ity ireo voasambotra nandritra ny fihetsiketsehana tamin’ny sabotsy, fotoana nokasain’ireo solombavambahoaka Tiako i Madagasikara hanaovana tatitra tamin’ny vahoakan’Antananarivo teo Ambohijatovo,
saingy tsy nomen’ny Kaominina toerana. Mirehareha ho manaja ny ara-dalàna sy tan-dalàna moa ny fitondrana mijoro, ka dia nafenina tsy ho azon’ny fianakaviany novangiana na indray maraina akory nandritra iny faran’ny herinandro iny, raha tsy hilaza afa-tsy ilay mpikambana ato amin’ny Kongresin’ny tetezamita teo aloha ary mpiara-miasa akaiky amina solombavambahoaka voafidy tao amin’ny Boriborintany faha-2 ankehitriny, nosamborin’ny Emmo-Reg voalohany teny Analakely tamin’iny andro iny. Miahiahy ny fianakaviana sy ireo namany sao maratra mafy nandritra ny nisamborana sy nitondrana azy ity mpanao politika ity, ka izay no nanafenana azy. Ho fantatra anio araka izany ny vesatra mety hiampangan’ny Fitsarana azy. Tsy hipetra-potsiny ireo mpiara-dia aminy fa hanao hetsikika hitaky ny hamotsorana azy, sady fanohizana ny fitakiana ny hamoahana tsy misy fepetra ny filoha Ravalomanana ihany koa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.