Politique

Voahangy Rajaonarimampianina Poizina ho an’ny fitondrana ?


  • Sabotsy 05 Mey 2018

Tsy fantatra intsony izay misy an’i Voahangy Rajaonarimampianina, vadin’ny filoha amin’izao fotoana.

 

Anisan’ny olona niteraka resabe teto amin’ny firenena ny tenany tamina lafin-javatra maro. Somary nahazo kiana izy raha samy vadina filoha nifanesy, ary mety nanaratsy endrika ny fitondrana ny mety ho fitsabahana samihafa nataony tamin’ny fitantanana ny firenena. Mety ho tompon’antoka amin’izao fikorontanan’ny fitondrana HVM izao tokoa ve ny tenany ?  Nalaza tamin’ny resaka fividianana akanjo nisy sarina mananasy, izay mitentina 7 745 dolara na 27 tapitrisa ariary any nisalorany ny 26 jona 2016 teny Iavoloha. Efa nalaza be teto koa ny fanamboarany orona tamin’ny alalan’ilay fomba avo lenta “Rhinoplastie”, izay mety handaniana volabe hatrany amin’ny 1 miliara ariary tany ivelany.  Nisy ny feo nivoaka momba ny fisian’ny volabe 27 000 000 Euros na 102 600 000 000 Ar. Voalaza fa navoaka tamina minisitera iray tamin’ny dian’ny delegasionina Malagasy tany Italia ny volana oktobra 2017 ka resaka fanofana fiara no nandaniana azy, indrindra fa ny fiara nampiasaina ho an’ny vadin’ny filoha, raha ny feo nandeha hatrany. Ny toe-javatra tahaka ireny miampy ireo nampalaza ratsy ireo olona akaiky ny filoha, toy ny resaka kolikoly avo lenta, dia anisan’ny nampitotongana haingana dia haingana ny fankafizan’ny Malagasy ny fanjakana HVM. Malaza ho tsy hay tohaina sy miditra an-tsehatra mihitsy amin’ny fanapahan-kevitra politika lehibe eto amin’ny firenena ihany koa ny vadin’ny filoha. Efa nandrenesana izany ny fanendrena praiminisitra.  Raha zohiana ny tantara sy ny zava-misy, dia mety ho anisan’ny poizina tamin’ity fitondrana ity ny vadin’ny filoha, hatramin’ny mpitondra sasany aza misy no sosotra sy manome tsiny azy.

Toky R

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT