Politique

Voahangy Rajaonarimampianina Mety ho ratsy fiafara


  • Alatsinainy 14 Mey 2018

Anisan'ny nampirodana an'i Robert Mugabe, filohan’i Zimbabwe teo aloha teo amin'ny fitondrana ny fitsabahan'i Grace Mugabe tamin'ny raharaha politika.

 

Niketrika mafy ny handimby am-badiny ity vehivavy nambara fa tsara vintana ity satria nosokajiana ho tambanivohitra tsy dia fantatra loatra, ary sekreteran'i Mugabe no lasa vadiny. Nahazo tsirony sy nahita fafiny angamba ramatoa, ka niketrika mafy nanao politika. Mbola tanora loatra aho raha vao nanomboka niara-niaina tamin'ny filoha saingy manana faharetana izy, ary nahatonga ahy ho toy izao, hoy izy nanomboka nampibaribary ny fidirany an-tsehatra tamin'ny politika ny taona 2012. Niketrika mafy ny ho lasa filoha handimby am-badiny izay efa tena osa izy. Ny nifanihohitra tamin'izay no nipoitra tamin’ny 2017 satria anisan'ny antony nionganan'ny vadiny izany. Nitsabaka ary tompom-kevitra nandrisika am-badiny handray fanapahan-kevitra diso hanala ny filoha lefitra notohanan'ny mpanohitra Emmerson Mnangagwa, ary lasa filoha ankehitriny i Grace Mugabe satria tsy te hosongonan’io. Mifankaiza amin’izany i Voahangy Rajaonarimampianina ? Na tsy ofisialy aza, voalaza ho mitsabaka lalina amin’ny politika izy. Re, ohatra, tamin’ny fanalana ny praiminisitra Jean Ravelonarivo ny resaka nalaza fa tsy nanaiky hody an-tanindrazana fa nidongy hijanona tany Frantsa, raha tsy miala ny praiminisitra. Fa iza tokoa moa ity vadin’ny filoha ity ? Inona no asany tany aloha ? Mba manao ahoana ny tantarany ? Ny an’ny filoha nifandimby teo aloha mantsy toa mba fantampatatra ihany. Mety mitovitovy tantara amin’i Grace Mugabe ve ka tampotampohim-pahefana sy harena, ary lasa poizina ho an’ny vadiny sy ny fanjakana ? Ahiana niteraka laza ratsy ho an’ny filoha sy fahadisoan’ny fanapahan-kevitra noraisiny teto amin’ny firenena ny fitsabatsabahan’ny vadiny. Malaza ho tompon’ny fanapahan-kevitra lehibe, toy ny fanendrena na fanalana olona ambony, toy ny minisitra, mpiasam-panjakana ambony izy. Eo ihany koa ny resaka afera samihafa. Mety tsy ho afa-miala amin’izao raharaha mampiozongozona ny vadiny izao i Voahangy Rajaonarimampianina, ary mety tsy ho afa-bela raha ho avy ny fanenjehana ny filoha rehefa miala eo. Mety ho vehivavy halaza aty Afrika, toa an-dry Grace Mugabe na koa ry Leïla Trabelsi, nihevitra ny handimby ny vadiny Le Zine el-Abidine Ben Ali filoha Tonisizianina teo aloha teo amin’ny fitondrana, saingy niongana ny taona 2011. Diso niditra tamin’ny politika ihany koa ry Simone Gbagbo vadin’ny filoha Ivorianina teo aloha Laurent Gbagbo, ary voahenjika ho nanao heloka manitsakitsaka ny zon’olombelona, ka nohelohina 20 taona an-tranomaizina nanomboka ny 2011, taorian’ny savorovorom-pifidianana. Ahoana kosa no hiafaran’i Voahangy Rajaonarimampianina ?

 

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT