Politique

Vita ny sonia Tanterahana izay nekena


  • Talata 05 Mey 2015

Miditra amin’ny dingana ambonimbony kokoa ny fizotry ny fampihavanam-pirenena ankehitriny. Tontosa omaly teny amin’ny efitrano fivoriana iraisam-pirenena teny Ivato ny sonia ny boky mirakitra ireo tolo-kevitr’ireo mpizaika nandritra ny fihaonambe ho an’ny dinika ho an’ny fampihavanam-pirenena izay natao teny an-toerana ihany ny herinandro lasa teo.

 


Any amin’ny filoha ny baolina

 Ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy avy amin’ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara na FFKM sy ny filoha am-perinasa niampy ny filoha teo aloha mirahalahy dia Atoa Marc Ravalomanana sy ny Amiraly  Ratsiraka no nanao sonia. Natolotra ny filoham-pirenena am-perinasa Hery Rajaonarimampianina ny boky avy eo ary nomena dika mitovy ihany koa ireo filoham-pirenena teo aloha mirahalahy. Mikasika ny fampiharana izay voalazan’ireo fehin-kevitra kosa dia ny filoha am-perinasa ihany no mahalala ny soso-kevitra horaisiny avy tamin’ny mpizaika sy izay fotoana mety hampiharana azy, hoy ny Mpitandrina Lala Rasendrahasina filohan’ny FFKM. « Olon-dehibe nanao fanambarana ren-tany sy ren-danitra  no  mandray andraikitra, hoy izy ka samy manantena sy matoky isika fa samy hanatanteraka ny teny nomeny avy ny tsirairay. Nanamora ny asa sy ny fomba fiasa ny FFKM  hoy izy, namoaka ny heviny ny olona, naravona ny hevitra dia io omena ny filoham-pirenena io ka miankina aminy tanteraka ny fanatanterahana azy fa efa vita izay ny anjara asan’ny FFKM. Hisy kosa anefa ny komity mpanara-maso hatsangana, ka io komity io no handondona sy hanaitaitra ny amin’ny fampiharana izay tapaka teny amin’ny CCI Ivato fa tsy sanatria mijanona ho boky fotsiny ilay izy. Nanambara moa omaly i Hery Rajaonarimampianina fa voaray ny fehin-kevitra ary hodinihana ny fomba hampiharana azy, tsy nanome fe-potoana mazava ny amin’izany izy.

Tsy azo terena

Momba ireo filoha roa mianaka teo aloha ny profesora Zafy Albert sy Atoa Andry Rajoelina kosa dia nanambara ny filohan’ny FFKM fa tsy afaka ny hampanao sonia azy ireo satria izy ireo tsy nanatrika sy tsy nandray anjara tamin’ny dinika. Sarotra ihany koa, hoy ny mpitandrina Lala Rasendrahasina ny handeha ho any an-tokatranon’izy ireo ka hanao an-tery azy ireo hanao izany sonia izany.


AndryRatovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT