Mijoro ary hijoro hiaro ny zava-bita tato anatin`ny dimy taona isika, hoy i Virapin Ramamonjisoa, anisan’ny mitarika ny vovonana Voromahery (Vovonana miaro sy manohana an’i Hery Rajaonarimampianina).
Mendrika ny isam-batan`olona ny manana firenena hitohizan`ny fandrosoana. Mendrika ho an`ny mpandraharaha Malagasy ny tontolo iainana ara-toekarena hisin`ny fiarovana ny fampiasam-bola, hisian’ny fifanalalozana traikefa sy ny firindran’ny fiaraha-miombon`antoka. Mendrika ho an`ny tanora Malagasy ny hahazo fampianarana maharaka ny toetrandro, ny teknolojia ary manasongadina ny soatoavina maha Malagasy,.... Mendrika ireo taranatsika ny ezaka sy ny fikelezan`aina rehetra nataon`ny filoha Hery Rajaonarimampianina natombony tao anatin`ny dimy taona izay, ka hiaro sy hanohana ireo fototry ny fampandrosoana efa mipetraka tao anatin`ny dimy taona sy hanohana ny efa fiarenan-dohan`ny toekarem-pirenena amin`izao fotoana izao isika, hoy izy. Maro ny mpanao politika Malagasy mieritreritra ny vahoaka ho marefo sy malemy saina ka mora andairan’ny lainga tsara lahatra, ka mba hanadinoana ny politika nentiny sy nitondra tamin`ity firenena ity dia tsy tahotra sy henatra no mamafy sy manome ronono an-tavy. Mampahatsiaro ny fomba fieritreretan`i Adolph Hitler ny fomba fihetsik`ireo mpanao politika sasany manoloana ny vahoaka sy mpanara-dia azy ireo satria i Hitler dia mieritreritra an`ireo mpanara-dia azy izay voadonan`ny fahalemen-tsaina izay nilaza hoe: “Ny fihetseham-po no ampiasaiko amin`ny maro fa ny saina dia atokako ho an`ny sasany ihany.” Fantapantatra ihany ny olona tiany hambara na tsy nivantana aza izy.
Toky R sy Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.