Mitohivakana ny fanehoan-kevitra mikasika ny fahazoan’ny malagasy filoham-pirenena vaovao, Andry Rajoelina. Naneho ny heviny manoloana izany ny filohan’ny Antokom-Bahoaka malagasy (ABA), Dany Rakotoson.
Ny andrasana amin’ny filoha vaovao, hoy ny tenany, dia ny fitarihana ny vahoaka hanana fiainana tsara. Anisan’ny firenena farany mahantra isika ka tokony hifanaraka tsara amin’ny ilain’ny vahoaka ny zavatra hatsangana mba tsy ho fandanilaniam-poana. Tsara ny Coliseum, hoy ny tenany, saingy na ireo artista aza tsy afaka mampiasa azy araka ny tokony ho izy. Mila fiaraha-mientana amintsika vahoaka miisa 25 tapitrisa ihany koa anefa ny antoka ho amin’ny fampandrosoana fa tsy tokony hankinina amin’ny mpitondra fotsiny. Mora ny manao tranobe sy ny manao tramway saingy tena laharam-pahamehana amin’ny vahoaka ve izany ? Ny ABA dia tsy hijoro ho mpanohitra fa mpanitsy ny tsy mety kosa mba tsy ho sakana ho amin’ny fampandrosoana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.