Ny hamisavisana ny ratsy hiavian’ny soa, hoy ny fomba fiteny, ka enga tokoa anie tsy ho arakaraka ny ahiahin’ny olona ny hafitsoky ny fitondrana Rajoelina. Maro ireo velirano nambara fa hotanterahina, ary tsy misy ratsy ireny.
Fa mahavaly ny filan’ny Malagasy sy azon’ny rehetra sitrahana ve ? Ny nisongadina tamin’ireo fampanantenana mantsy dia fampanofinofisana, toy ny filazana fa hanangana trano miezinezina maro (buildings), hanao tanàna tanamasoandro, hanangana trano 50 000 (27 isan’andro raha kajiana amin’ny 365 andro), havadika tahaka ny tanànan’i Miami any Etazonia i Toamasina, hatao tahaka an’i Paris ny tanànan’Ambatondrazaka ... Rehefa mandroso ny toekarena dia mandeha sy mitsangana ho azy ireny raha miakatra ny fari-piainan’ny olona. Tsy ny mponina sahirana toy ny eny ambany tanàna tahaka an’Andavamamba, La Réunion kely, Andohatapenaka … no hisitraka ny zavatra tahaka izany fa ny manan-katao sy manam-bola. Ireny rehefa mahazo vary mora, dia mibitaka fa izay ho fisitrahana ny harem-pirenena sy ny tena fihatsaram-piainana, dia mbola lavitry ny ny afo ny kitay. Mampanantena ny hanome lanja ny Indostria Malagasy i Andry Rajoelina ao anatin’ny IEM, ary hasongadina maneran-tany ny “Made in Madagascar” na vita avy any Madagasikara. Irariana mba ho tanteraka izany. Ny tantara tany aloha anefa, ny orinasa Malagasy reharehan’ny firenena aza nodorana ny 2009 ka nanjaka ny karana. Hanome vahana ilay fananganana Faritra ara-toekarena manokana na ny ZES ihany koa ny fanjakana Rajoelina, raha ny hita ao anaty IEM. Mety hitondra fandrosoana io, saingy mety ho endriky ny famarotana ankolaka ny tanindrazana, raha tsy mazava. Ny vahiny no hampiasa volabe eto amin’ny tanintsika, hanangan-javatra ary mila antoka izy fa tsy hamafy ny volabeny eo izany. Ny tany dia hampiasaina ao anatin’ny 99 taona azo havaozina raha miditra amin’ny fampanofana sy fifanarahana amin’ny alalan’ny “baille Amphytéotique”. Mila mazava ny fifanarahana satria voizina rahateo ny fepetra samy mahazo tombony na “gagnant-gagnant”, ka mila faritana mazava ny tombontsoam-pirenena sy ny vahoaka ao anatin’ireo ambara fa tetikasam-pampandrosoana mba tsy ho famarotan-tanindrazana, araka ny ahiahian’ny maro.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.