Politique

Vina IEM sy veliranon’ny filoha Totoafo ny fampatsiahivana avy amin’ny faritra


  • Alatsinainy 21 Janoary 2019

Saika ireo famerenana ny teny fanomezan-toky nataon’ny filoham-pirenena vaovao tamin’ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra hatrany no nibahan-toerana nandritra ireny fifampiarahabana nahatrarana ny taona vaovao 2019 nataon’ny faritra maro ireny.

 

 

 Saika nampatsiahy izany avokoa ireo zanaky ny  faritanin’Antsiranana, Toliara, Fianaratsoa, Alaotra, Itasy ary tsy maintsy mbola hanao ny azy ihany koa ny hafa. Manginy fotsiny ny filaharam-be fanaterana antontan-taratasy mombamomba ny tena (CV) ataon’ny olona eto Antananarivo sy ny avy any amin’ny faritra ao amin’ny foibe ARENA izay samy miray feo ho nampandany ny filoham-pirenena ankehitriny. Tsy lazaina intsony ihany koa ireo dinozaoro politika izay nilaza mazava fa tokony hiravaka ny vanginy satria namono ny voay. Izany rehetra izany no mitambesatra sahady amin’ny filoha vaovao ary miandry avokoa ny rehetra ny amin’ny ho fanapahan-kevitra hanatanterahana ireo velirano sy vina IEM. Tsiahivina fa tafidina teny ifotony ary nahita ny olan’ny faritra hatrany amin’ireny ambany tanàna rehetra ireny ny filoham-pirenena nandritra ireny fitsidihana nanaovana fampanantenana  tamin’ny vahoaka ireny. Samy miandrandra fampandrosoana ara-toekarena ny maro na eto Antananarivo na any amin’ireo faritra rehetra ary inoana fa tsy fampanofinofisana no natao tamin’ny vahoaka nambaboana azy fa tena fitiavan-tanindrazana araka izay nodradradradrain’ny filoha.

Tsirinasolo

   

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT