Politique

Vina IEM Fanatanterahana haingam-pandeha no tena ilaina


  • Sabotsy 12 Janoary 2019

Mila miasa avy hatrany ary miasa haingana ny filoham-pirenena vaovao amin’ny fanatanterahana ireo velirano ao anatin’ny vina IEM, hoy ny dokotera Jean Louis Robinson.

 

 

 Maro be ny laharam-pahamehana ao anatin’ny vina ka mila jerena amin’ny antsipiriany ireny, hoy izy. Tokony hipetraka ary hisy hatrany ny fitsipika amin’ny fanatontosana ny vina mba hiteraka fampandrosoana ara-toekarena haingana ka hanangana ny vahoaka miaina anaty fahantrana lalina. Nitodika tamin’ireo mpanohana ny filoham-pirenena vaovao koa i Jean Louis Robinson mba tsy hijery ny tombontsoa manokana ka hanao amboletra ny amin’ny fitadiavana seza fa hampitoetra ny fitiavan-tanindrazana. Ny fitiavan-tena ihany mantsy, hoy izy no nanimba ny fitantanana rehetra nisy teto Madagasikara ka efa tokony hihoarana amin’izay, indrindra ny amin’izao nahazoana taona sy filoha vaovao izao. Ao anatin’ny 100 andro izao dia mila mahita fivoarana be ny amin’ny fanatanterahana ny vina IEM ny vahoaka Malagasy. Raha amin’ny antoko HAVANA manokana dia nanambara ny tenany fa tsy mitaky ary tsy mitady toerana velively fa raisina am-pahendrena avokoa izay mety ho fanapahan-kevitry ny filoham-pirenena vaovao. Ny vaindohan-draharaha tokony himatimatesana amin’izao dia tsy misy afa tsy ny asa fanatanterahana ny vina ka amin’izany dia izay olona hita fa mahavita azy no ilaina fa tsy sanatria ireo olona te hanankarena fotsiny, hoy hatrany ny Dokotera Jean Louis Robinson.

Tsirinasolo

Ny dokotera Jean Louis Robinson

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT