Politique

Victor Manantsoa HFI “”Ny fihaonambem-pirenena ihany no vahaolana”


  • Talata 20 Novambra 2018

Nivoaka tamin’ny fahanginana omaly Atoa Manantsoa Victor mpikambana eo anivon’ny hetsiky ny fanorenana ifotony na ny HFI.

 

 

 

Nambarany fa ny nisorohana ny zava-mitranga eto amin’ny firenena  amin’izao fotoana mihitsy izay mampisavorovoro ny saim-bahoaka no nahatonga azy ireo nilaza hatramin’izay fa tokony hapetraka aloha ny fanorenana ifotony vao hisorohana ny fifidianana. Tsy nisy mpihaino anefa izahay ka izao iaraha-mahita izao no vokany. Samy tsy misy manaiky ny voka-pifidianana avokoa ireo kandida  nilatsaka hofidiana izay tena zava-doza ho an’ny firenena Malagasy sady mahamenatra, hoy ny HFI. Soa ihany anefa fa mbola misy ny Malagasy tia fihavanana sy manam-pahendrena ka tsy mbola nisy ny fifamonoana hatreto. Miantso ny hanafoanana  iny fifidianana notanterahina tamin’ny 7 novambra lasa teo iny Atoa Manantsoa Victor sy ireo mpikambana eo anivon’ny HFI miaraka aminy mba hahafahan’ny Malagasy miatrika ny hoaviny. Ankoatra izay dia mitaky ny hanatanterahana ny fihaonambem-pirenena koa izy ireo tarihin’ireo ray aman-dreny ara-drazana sy ara-pinoana eto amintsika. Antsoina ho avy hanatrika izany avokoa ireo kandida rehetra nilatsaka hofidiana ho filoham-pirenena farany teo hahafahana mitady vahaolana, hoy hatrany Atoa Victor Manantsoa.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT